14Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka : Andeha isika hankany Gilgala hanavao ny fanjakana any. 15Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala ; ary tany Gilgala no nananganany an'i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan'i Jehovah ; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely.
Ho jerentsika amin'izany ny hoe
Inona no ampianariny momba ny olombelona ?
Inona no tsara alain-tahaka, na tsy tokony hatao ?
Rehefa avy nandinika sy namakafaka tsara an'io teny no vakiana io ianao dia toa izao ny fanazavana omen'ny Mpiara Mamaky ny Baiboly :
FANDRESENA VOALOHAN’I SAOLY
Firaisan-kina nanoloana ny fahavalo. Taorian’ny Filistina, ireo fahavalo avy any atsimo-andrefana, dia indreo indray ny Amonita, fahavalo efa hatrany aloha, avy any atsinanana, no miomana hanafika an’Isiraely. Ny mpanjaka Amonita Nahasy (midika hoe : menarana) no nampihorohoro ny firenena manodidina rehetra. Ny fanapotsirana ny voamaso ankavanana dia fanao jentilisa entina handemena ny herin’ny fahavalo. Nihevitra i Nahasa fa tsy manana mpitondra afaka hanakambana ny vahoaka manontolo Isiraely. Diso hevitra nefa izy fa tsy nahalala an’i Saoly, izay tsy mba naneho hakanosana toa ireo vahoaka (4), fa naneho ny maha-olom-baovao azy, nandray ny hosotry ny mpanjaka, sy ny Fanahin’Andriamanitra (6, 10.6, 9). Tamin’ny fahatezerana masina sy fahakingan-tsaina no nijoroany, nanambatra ny vahoaka ho andiany iray, mba hitondra famonjena ho an’ireo rahalahiny notandindomin-doza (7-8, 11).
Mpitarika lehibe. Ny fandresena azony no afaka ho antony hamelezana ireo mpanohitra ny fanjakany (12), fa tsy sitrak’i Saoly ny fanaovana vali-faty (13). Toetra tsara azo marihina teo amin’i Saoly izany. Fa indreto koa misy toetra tsara roa nasehon’i Saoly :
1°) Na dia voahosotra ho mpanjaka aza izy dia nanohy niasa tany ihany (5 ; jereo koa 8.14-17) ;
2°) Tsy nandray ho voninahiny ny fandreseny izy fa nomeny voninahitra Andriamanitra (13) ! Tsy nahagaga raha naha-mafy orina ny fanjakany izany, no sady nanatsara ny fifandraisany tamin’Andriamanitra, ka nitondra fifaliana ho an’ny rehetra (14-15). Eto no tanteraka ilay nambaran’i Samoela tany amin’ny 1 Samoela 10.8. Fotoana lehibe nametrahana an’i Saoly teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka Isiraely, fotoana nanomezam-boninahitra sy haja an’Andriamanitra !
Baiko : Omeo voninahitra hatrany Andriamanitra ao anatin’ny fahombiazana sy ny fandresena !
Anio Atalata isika dia hivavaka ho an'ny mpitondra fivavahana sy ny kristiana.