Soratra Masina ho an’ny herinandro
Levitikosy 25.18
Ary araho ny didiko, ary tandremo ny fitsipiko, ka araho izy ; dia handry fahizay amin’ny tany hianareo.
Mana Isan'Andro
Alatsinainy 30 Septambra 2024
Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona,
fa ny teny rehetra izay alaoky ny vavan'Andriamanitra.
Matio 4.4
1 Samoela 10.17-27
17Ary Samoela namory ny vahoaka ho any Mizpa ho any amin'i Jehovah 18ka nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe : Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely : Izaho nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tanan'ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo. 19Nefa ianareo kosa efa nandà an'Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin'ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra ; fa hoy ianareo taminy : Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan'i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy.
20Dia nampanatona ny firenen'Isiraely rehetra Samoela, ka ny firenen'i Benjamina no voafidy. 21Dia nampanatona ny firenen'i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon'ny Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak'i Kisy ; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy nahita azy. 22Dia nanontany tamin'i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah : Indro, miery ao amin'ny entana izy. 23Dia nihazakazaka ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan'ny olona izy, dia nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany. 24Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin'i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy eo amin'ny vahoaka rehetra ? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe : Ho ela velona anie ny mpanjaka.
25Ary Samoela nilaza tamin'ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin'ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan'i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra samy nampodin'i Samoela ho any an-tranony avy. 26Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin'ny tànan'Andriamanitra ny fony. 27Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe : Hataon'io lehilahy io ahoana no famonjy antsika ? Dia nanazimba an'i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.
Ho jerentsika amin'izany ny hoe
Inona no fampitandremana ?
Inona no fahamarinana azoko raisina
avy amin'izao tenin'Andriamanitra izao ?
Rehefa avy nandinika sy namakafaka tsara an'io teny no vakiana io ianao dia toa izao ny fanazavana omen'ny Mpiara Mamaky ny Baiboly :
- Précédent
- Suivant >>