Ataon’ny devoly izay hahatafintohina anao any amin’ny sampana any, amin’izay mametram-pialana, ka na ny Fiangonana aza tsy mahita ny faladianao intsony. Ary rehefa tsy tonga any am-piangonana ianao dia ho sarotra aminao ny ho tonga amin’ny fibebahana sy fandraisana ny Tompo. Miasa mafy ny devoly ankehitriny mba tsy hatonga ny olona hiaiky heloka sy hibebaka ka handray ny Tompo. Tsy gaga isika raha tonga ka maro ny kristiana no sady mandeha aty am-piangonana mivavaka nefa tsy mahafoy ny fahotany sy ny fanao ratsin’izao tontolo izao.
Ry rahalahy sy anabavy malala ao amin’ny Tompo, ny olona tena nibebaka sy nandray ny Tompo, dia tsy mahavita intsony an’izany mandatsa izany, na inona na inona ratsy ataon’ny olona aminy. Ny olona nibebaka sy nandray ny Tompo, dia tsy mahavita intsony an’izany hoe faly amin’ny fahavoazan’ny hafa izany. Ny olona mbola tsy mibebaka sy tsy mbola nandray ny Tompo no mahavita an’izany. Ny olona mibebaka sy efa nandray ny Tompo dia tsy mahavita intsony miteny ratsy sy manompa. Ho an’ny olona mbola tsy nibebaka sy mbola tsy nandray ny Tompo izany.
Ry havana, malala ao amin’ny Tompo, fahavoazana tsy roa aman-tany raha toa ka ny jiolahy raindahiny hihaona amin’i Jesoa any am-paradisa satria niaiky heloka sy nibebaka, kanefa sanatria, ianao efa nanompo an’Andriamanitra nandritra ny taona maro indray no ho any amin’ny helo satria sady manompo an’Andriamanitra kanefa tsy mahafoy ny fahotana, tsy mahafoy ny fanao ratsin’izao tontolo izao. Raha te hihaona amin’i Jesoa any am-paradisa ianao, dia tsy maintsy miaiky fa mpanota eo antrehan’Andriamanitra. Tanisao ary ekeo amin’Andriamanitra avokoa ny fahotanao rehetra : Izaho Tompo dia mpandainga, mbola voafatotry ny toaka, mbola voafatotry ny sigara, mbola voafatotry fankahalana, mbola voafatotry ny fifosafosana, mbola voafatotry ny lainga sy ny teny ratsy, mbola voafatotry ny fijangajangana, mbola voafatotry ny fahafinaretan’ny nofo, mbola voafatotry ny avonavona, mbola voafatotry ny fitiavam-bola. Ekeo amin’i Jesoa tahaka ny nataon’ity jiolahy ity ny fahotana rehetra, ary aza misy afenina. Rehefa voatanisanao amin’ny Tompo ny fahotana vitanao dia mibebaha, izany hoe aoka hifona amin’Andriamanitra ianao tamin’ny nanaovanao ireo fahotana ireo. Lazao aminy fa tsy hamerina intsony ireo fahotana ireo ianao. Izany no atao hoe mibebaka. Ary raha mijanona amin’izay fibebahana izay ianao dia ho azo antoka fa mbola ho resin’ny devoly ka hiverina hanao indray ireo fahotana efa nifonanao ireo. Mila mandray an’i Jesoa ao am-ponao ianao : Jesoa ô, midira ato am-poko ianao, aoka ianao no handidy sy hanapaka ny fiainako. Ary rehefa manjaka ao am-ponao i Jesoa dia Izy hiady amin’i Satana izay mitaona anao isan’andro hanota indray.
Ry havana malala ao amin’ny Tompo, raha te hihaona amin’i Jesoa ao am-paradisa ianao, raha miala ety, dia mila miaiky heloka sy mibebaka ary mandray an’i Jesoa ao am-ponao. Amena.
SOLI DEO GLORIA
Pasteur Zozo RANDRIAMANANTSOA
- << Précédent
- Suivant