Rariny isika raha voaheloka ho faty, hoy ity lehilahy ity, satria mpanota isika, fa i Jesoa tsy mba nanana ota nefa voaheloka tahaka antsika. Hoy ilay jiolahy faharoa raha nitodika manokana tamin’i Jesoa : «… Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao.». Teny mitory fangatahana famindram-po. Na dia tsy ho tonga any amin’ny fanjakanao aza aho satria meloka mpanota, tsy mendrika izany lanitra izany, zava-dehibe amiko kosa na dia mahatsiaro ahy fotsiny aza ianao rehefa tonga any an-danitra. Zava-dehibe amiko izany. Jiolahy niaiky ny fahotany, jiolahy nibebaka. Tohina tamin’izany teny fiaikena fahotana sy fibebahana nataon’ity jiolahy ity izany ny fon’i Jesoa. Hoy ny nambarany tamin’ilay jiolahy faharoa : «Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.» (Lioka 23.43) Ilay Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka, Ilay hitsara ny velona sy ny maty amin’ny andro farany no manambara amin’ny fomba ofisialy amin’ilay jiolahy niaky heloka sy nibebaka fa anio ihany dia hihaona amiko any am-paradisa ianao. Ry havana malala ao amin’ny Tompo, jiolahy raindahiny tonga any am-paradisa. Inona no lakileny ?
FIAIKEN-KELOKA SY FIBEBAHANA.
Antso
Ry rahalahy sy anabavy ao amin’ny Tompo, ny olona hihaona amin’i Jesoa any am-paradisa dia ny olona miaiky eo anatrehan’Andriamanitra fa mpanota, ary mibebaka, izany hoe tapa-kevitra hiala tanteraka amin’izany fahotany izany. Hoy ny voalazan’ny 1 Jaona 1.9 : «Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.» Hoy ny toriteny voalohany nataon’i Jesoa : «Mibebaha ianareo ; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.» (Matio 3.2) Ry havako ô, fantatry ny devoly tsara fa raha miaiky ny fahotanao ianao ka mibebaka ary mandray ny Tompo, dia ho voavonjy, hihaona amin’i Jesoa any am-paradisa tahaka ity Jiolahy faharoa ity. Koa miasa mafy amin’ny heriny rehetra ny devoly amin’izao fotoana izao tsy hahatonga ny olona hiaiky ny helony, hibebaka ka handray ny Tompo. Fantatry ny devoly tsara fa raha vao miaiky ny helony sy mibebaka ity olona ity dia handray ny Tompo ka dia tsy ho azo intsony amin’ny fahotana, ho tonga any am-paradisa. Noho izany dia ampiasainy ny tetika rehetra tsy hahatonga anao hiaiky heloka sy hibebaka. Ataon’ny devoly izay hahatonga anao tsy hanana fotoana hamakiana Baiboly satria raha vao manomboka mazotozoto mamaky Baiboly eo ianao dia hiaiky heloka ka hibebaka eo anetrehan’ny Tompo ary hanolo-tena ho an’i Jesoa. Ataon’ny devoly izay hahatonga anao tsy hanatrika vondrom-bavaka mihitsy, satria raha vao mazotozoto mivavabavaka eo ianao dia ho tonga amin’ny fibebahana ny farany ka handray ny Tompo. Ataon’ny devoly izay hahatonga anao tsy hivavaka isan-kalahady satria raha mazoto mivavaka isan-kalahady eo ianao sao ho tonga amin’ny fibebahana ka handray ny Tompo na hanavao ny fanoloran-tena ho an’ny Tompo.