NY OLONA HIHAONA AMINY

NY OLONA HIHAONA AMIN’I JESOA
ANY AM-PARADISA
Celui ou celle qui sera avec Jésus
au Paradis

«Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa :
Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.»
(Lioka 23.43)

Fampidirana

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, mino aho fa ny faniriantsika rehetra ireto rehefa miala eto an-tany eto, dia ny hihaona amin’i Jesoa any am-paradisa. Mino aho fa matoa isika ireto mandeha aty am-piangonana mivavaka rehefa Alahady, manao rakitra, manao adidy isam-bolana, mandany vola am-karena, mandany fotoana ho an’ny Tompo, dia satria maniry ny hihaona amin’i Jesoa any am-paradisa isika rehefa miala eto. Tsara izany fikasana izany, ary efa dingana iray lehibe hahatongavana ho amin’izany izao fahatongavantsika maro eto am-piangonana, tonga hihaona amin’ny Tompo eto an-tranony izao. Dingana iray lehibe izany fa tsy ampy. Anio, ry havako, ny Tenin’Andriamanitra, araka ny Lioka 23.35-43, dia mampianatra antsika : Ny olona manao ahoana no afaka hihaona amin’i Jesoa any am-paradisa. Tsy isika rehetra izao no hihaona amin’i Jesoa any am-paradia ; tsy ny olona rehetra no hihaona amin’i Jesoa any am-paradisa. Fa ny olona manao ahoana?

Fanazavana

Rehefa avy notsarain’i Pilato i Jesoa ary voaheloka ho faty amin’ny hazo fijaliana, dia nentina teny Gologota na Ikarandoha. Nofantsihana teo ambony hazo fijaliana niaraka tamin’ny jiolahy raindahiny anankiroa, ka ny iray teo amin’ny ankaviany ary ny iray kosa teo amin’ny ankavanany. Raha ny voantantaran’ny Tenin’Andriamanitra eto amin’ity Lioka 23.35-43 ity, nandritra ny fiantonan’i Jesoa teo ambony hazo fijaliana, dia nisy karazana olona 4 voatantara manokana eto. Ary amin’ireo karazana olona 4 voatantara eto ireo dia ny iray amin’ireo ihany no hihaona amin’i Jesoa any am-paradisa ; ny iray amin’ireo ihany no nambaran’i Jesoa tamin’ny fomba mazava, mahitsy sy hentitra fa hihaona aminy any am-paradisa. Iza ireo olona 4 ireo ? Fa inona no nataon’izy ireo ? Fa naninona no ilay anankiray monja no nihaona tamin’i Jesoa tany am-paradisa ?


Karazan’olona voalohany : NY LOHOLONA. Hoy ny voalaza eto : «Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe : Namonjy ny sasany Izy ; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, dia Ilay nofidina.» (Lioka 23.35) Ireto loholona ireto, dia anisan’ny tompon’andraikitra voalohany tao amin’ny Tempon’ny Jerosalema, mpitondra fivavahana. Izy ireo no tena nanenjika an’i Jesoa tsy nisy indrafo ka tsy navelany raha tsy maty ny Tompo. Hoy i Jesoa : «Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro fahatelo.» (Matio 16.21) Ireto loholona ireto no tena mpanenjika sy mpampijaly an’i Jesoa. Tsy mbola nahafa-po an-dry zareo ihany ny mahita an’i Jesoa mifantsika eo ambony hazo fijaliana fa mbola nolatsainy koa ny Tompo : «Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy ; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, dia Ilay nofidina.» Tsy izy ireo akory no nolazain’i Jesoa fa hihaona aminy any am-paradisa.
Ry havako, tsy toetra kristiana izany manenjika sy mandatsa izany, izay toetran’ireto loholona ireto. Toetra tsy ahafahanao mihaona amin’i Jesoa any am-paradisa izany manenjika sy mandatsa izany. Fantatro fa mbola maro ny kristiana no manana izany toetran’ny loholona izany, manenjika sy mandatsa. Tsy ahafahanao mihaona amin’i Jesoa any am-paradisa ny mbola fananana izany toetra izany. Fa inona moa ilay mandatsa ? Raha misy fahavoazan’ny olona iray, na inona na inona fahadisoan’ilay olona niharam-pahavoazana, ny tena kristiana marina, dia malahelo, mitondra am-bavaka, mampahery, manampy. Fa ny kristiana anarany fotsiny dia mandatsa, izany hoe : faly tamin’ny fahavoazan’ilay olona : Akorinao izay, mbola aiza ny hanjo anao e ! Manao anao tsy ho tratry ny aloka ianao, izao ianao tratry ny alok’akoho. Tsy vitan’ny faly tamin’ny fahavoazan’ilay olona fa mbola manampy trotraka amin’ny alalan’ny teny maharary ny fahavoazan’ilay olona. Eto i Jesoa efa mijaly sy mangirifiry mifantsika eo ambony hazo fijaliana, sady tsy misy alahelo sy fitserana fa mbola ampiana amin’ny teny maharary hoe : Nahay namonjy ny hafa izy fa ny tenany tsy hainy novonjena. Latsalatsa tahaka izany no nataon’ireto loholona ireto an’i Jesoa.
Nandeha nanao Tafika masina tany Toamasina ny Chorale tao amina Fiangonana iray. Loza ny nitranga fa nivadika ny fiarakodia nitondra an-dry zareo. Maro ny naratra ary anisan’ny naratra mafy tamin’izany ilay Filohan’ny Chorale. Dia hoy ity kristiana iray, tsara ho an’ireo Chorale ireo izay, miseho milay loatra ireo, mbola aiza ny hanjo an’ireo. Zaran’ilay Président aza tsy maty tany, tsy hanao tafika masina no nalehan’ireny tany fa hitsangatsangana fotsiny. Tsy nisy fangorahana, tsy nisy alahelo fa latsalatsa tahaka izany no natao.


Bevohoka tsy nanam-bady ny zanaky ny mpiandry sady mpitoriteny iray tao am-piangonana tany Madagasikara. Nangidy tamin’ilay mpiandry izany. Dia hoy ny kristiana iray : Tsara ho azy izay, mba miseho mananatranatra sy be morale nefa ny zanany aza tsy haniny ny mananatra azy ; miseho azy ho masina be nefa ny zanany aza bevoka tsy manam-bady. Tsy fantatra izay ho lanin’ny voalavo na izay mihantona na izay mipetraka amin’ny tany e ! Tsy misy fitserana, tsy misy alahelo, tsy misy fitondrana am-bavaka fa latsalatsa. Ry havako, ny olona mpandatsalatsa tahaka izany dia tsy hihaona amin’i Jesoa Kristy mihitsy any am-paradisa. Tsy hihaona amin’i Jesoa Kristy any am-paradisa velively ny olona mpandatsa toa an’ireto loholona ireto.

Karazan’olona faharoa : NY MIARAMILA. Hoy ny voalaza eto : «Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra, sady nanao hoe : Raha Hianao no Mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.» (Lioka 23.36-37) Ny miaramila voalaza eto dia ireo miaramila nasain’i Pilato niandraikitra ny fanatanterahana ny didy famonoana an’i Jesoa teo ambony hazo fijaliana. Tsy vitan’ny hoe namantsika an’i Jesoa tamin’ny fantsika teo amin’ny hazo fijaliana ireto miaramila ireto fa mbola nihomehy Azy koa. Ambonin’izany dia mbola nandatsa an’i Jesoa tahaka izany nataon’ny Loholona koa. Izany hoe fihomehezana miharo fandatsana. Raha ambara amin’ny teny hafa dia toa faly amin’izao fijalian’i Jesoa izao ireto miaramila ireto. Ry havana malala ao amin’ny Tompo, toetra tsy ankasitrahan’ny Tompo ataontsika kristiana izany hoe : Faly amin’ny fahavoazan’ny hafa izany. Tsarovy ry havako, fa toetra tsy hahatongavanao any am-paradisa izany hoe faly amin’ny fahavoazan’ny hafa izany. Tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra izany. Ny sitrapon’Andriamanitra dia izao : miara-mifaly amin’izay mifaly, miara ory amin’izay ory, mifampitondra izay mavesatra. Raha sendra misy zavatra manjo ny hafa, indrindra fa ny mpiara-mivavaka aminao, dia tokony hiara-mizaka aminy izay manjo azy ianao, mampahery azy, mivavaka ho azy fa tsy hoe mihomehy azy, na faly amin’ny fahavoazany. Tsy toetra kristiana izany hoe faly amin’ny fahavoazan’ny hafa izany. Raha mbola faly amin’ny fahavoazan’ny hafa ianao, dia aza manantena hihaona amin’i Jesoa any an-danitra velively. Toa tsy azon’ny saina eritreretina hoe ao anatin’ny Fiangonan’Andriamanitra dia mety hisy kristiana hanana ny toetran’ity miaramila romana ity izay faly amin’ny fahavoazan’ny hafa. Indrisy anefa fa tena misy tokoa izany ao anatin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.
Mpitandrina mbola tsy manam-bady iray voatendry hitondra Fiangonana tany ambanivohitra lavitra. Tao amin’io toerana io ihany izy no nahita izay ho vadiny. Efa nisy Diakona iray koa kay efa nikendry ny ho rafozan’i Pasteur. Tezitra izy fa tsy ny zanany vavy no lasa vadin’i Pasteur. Rehefa tonga ny Alahadin’ny Mpitandrina dia nanome fanomezana akoholahy ho an’i Pasteur io Diakona io. Rehefa nihinana ilay akoho i Pasteur dia lasa naneno tahaka ny akoholahy mandra-pahafatiny. Na dia mody nalahelo aza izy teo anatrehan’ny olona dia tena faly tamin’ny fahafatesan’i Pasteur. Amin’izay, hoy izy tamin’ireo olona akaiky azy, dia sady tsy ahy no tsy azy, samy tsy manana. Kristiana izany, Diakona amboniny. Faly amin’ny fahavoazan’ny hafa.


Ry rahalahy sy anabavy ao amin’ny Tompo, mba tsy ho ianao anie no hanana izany toetra tsy mendrika ny maha kristiana izany. Mba tsy ho ianao no ho faly amin’ny fahavoazan’ny hafa. Fa raha izany dia tsy hihaona amin’i Jesoa Kristy any am-paradisa mihitsyh ianao.

Karazan’olona fahatelo : ILAY JIOLAHY VOALOHANY nihantona niaraka tamin’i Jesoa. Hoy ny voalaza eto : «Ary ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe : Tsy Hianao va no Kristy ? Vonjeo ny tenanao sy izahay.» (Lioka 23.39). Amin’ny maha jiolahy azy dia mandeha ho azy izany teny ratsy izany, izay mazava ho azy fa tsy averin’ny Tenin’Andriamanitra eto ilay tena teny ratsy nataony. Azo adika koa hoe ompa. Zavatra mandeha ho azy eo amin’ny vavan’ny jiolahy ranindahiny tahaka izao izany teny ratsy sy ompa izany. Vokatr’izay dia tsy nilazan’i Jesoa ity Jiolahy niteny ratsy sy nanompa ity fa hihaona aminy any am-paradisa.
Ry havana malala ao amin’ny Tompo, ny Andriamanitra ivavahantsika dia tsy mankasitraka olona miteny ratsy sy manompa. Fahotana eo anatrehan’Andriamanitra izany. Tsy ahafahanao mihaona amin’i Jesoa any am-paradisa ny ompa sy ny teny ratsy. Raha tsorina, tsy ho tonga any an-danitra, tahaka ity jiolahy voalohany ity, ny olona mpiteny ratsy sy mpanompa. Hoy ny Soratra Masina : «Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.» (Jakoba 3.10) Tsy ankasitrahan’ny Tompo, ry havana, raha toa ny vavanao sady midera sy mankalaza an’Andriamanitra no miteny ratsy sy manompa. Raha mandinika isika, ry havana, mazàna ny teny ratsy sy ny ompa dia miainga avy amin’ny fahatezerana. Izany indrindra no ananaran’ny Tenin’Andriamanitra hoe : «Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra ;» (Jakoba 1.19). Aoka hialana araka izay azo atao ny fahatezerana mba tsy ho tonga amin’ny teny ratsy sy ny ompa. Satria ny mpiteny ratsy sy ny mpanompa dia tsy afaka hihaona amin’i Jesoa any am-paradisa velively.

Karazan’olona faha efatra : ILAY JIOLAHY FAHAROA nihantona niaraka tamin’i Jesoa. Hoy ny voasoratra eto : «Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe : Moa ianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza ? Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika ; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza. Ary hoy izy : Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao.» (Lioka 23.40-42). Ity Jiolahy faharoa ity dia nanaiky an’i Jesoa ho Andriamanitra, Mpanjakan’ny lanitra. Tsy izany ihany fa ity jiolahy faharoa ity dia niaiky fa mpanota teo anatrehan’i Jesoa. Hoy ny nambarany : «… Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika…», ary manaiky ny valin-keloka azony amin’izao fiantonana amin’ny hazo fijaliana izao.


Rariny isika raha voaheloka ho faty, hoy ity lehilahy ity, satria mpanota isika, fa i Jesoa tsy mba nanana ota nefa voaheloka tahaka antsika. Hoy ilay jiolahy faharoa raha nitodika manokana tamin’i Jesoa : «… Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao.». Teny mitory fangatahana famindram-po. Na dia tsy ho tonga any amin’ny fanjakanao aza aho satria meloka mpanota, tsy mendrika izany lanitra izany, zava-dehibe amiko kosa na dia mahatsiaro ahy fotsiny aza ianao rehefa tonga any an-danitra. Zava-dehibe amiko izany. Jiolahy niaiky ny fahotany, jiolahy nibebaka. Tohina tamin’izany teny fiaikena fahotana sy fibebahana nataon’ity jiolahy ity izany ny fon’i Jesoa. Hoy ny nambarany tamin’ilay jiolahy faharoa : «Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.» (Lioka 23.43) Ilay Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka, Ilay hitsara ny velona sy ny maty amin’ny andro farany no manambara amin’ny fomba ofisialy amin’ilay jiolahy niaky heloka sy nibebaka fa anio ihany dia hihaona amiko any am-paradisa ianao. Ry havana malala ao amin’ny Tompo, jiolahy raindahiny tonga any am-paradisa. Inona no lakileny ?
FIAIKEN-KELOKA SY FIBEBAHANA.

Antso

Ry rahalahy sy anabavy ao amin’ny Tompo, ny olona hihaona amin’i Jesoa any am-paradisa dia ny olona miaiky eo anatrehan’Andriamanitra fa mpanota, ary mibebaka, izany hoe tapa-kevitra hiala tanteraka amin’izany fahotany izany. Hoy ny voalazan’ny 1 Jaona 1.9 : «Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.» Hoy ny toriteny voalohany nataon’i Jesoa : «Mibebaha ianareo ; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.» (Matio 3.2) Ry havako ô, fantatry ny devoly tsara fa raha miaiky ny fahotanao ianao ka mibebaka ary mandray ny Tompo, dia ho voavonjy, hihaona amin’i Jesoa any am-paradisa tahaka ity Jiolahy faharoa ity. Koa miasa mafy amin’ny heriny rehetra ny devoly amin’izao fotoana izao tsy hahatonga ny olona hiaiky ny helony, hibebaka ka handray ny Tompo. Fantatry ny devoly tsara fa raha vao miaiky ny helony sy mibebaka ity olona ity dia handray ny Tompo ka dia tsy ho azo intsony amin’ny fahotana, ho tonga any am-paradisa. Noho izany dia ampiasainy ny tetika rehetra tsy hahatonga anao hiaiky heloka sy hibebaka. Ataon’ny devoly izay hahatonga anao tsy hanana fotoana hamakiana Baiboly satria raha vao manomboka mazotozoto mamaky Baiboly eo ianao dia hiaiky heloka ka hibebaka eo anetrehan’ny Tompo ary hanolo-tena ho an’i Jesoa. Ataon’ny devoly izay hahatonga anao tsy hanatrika vondrom-bavaka mihitsy, satria raha vao mazotozoto mivavabavaka eo ianao dia ho tonga amin’ny fibebahana ny farany ka handray ny Tompo. Ataon’ny devoly izay hahatonga anao tsy hivavaka isan-kalahady satria raha mazoto mivavaka isan-kalahady eo ianao sao ho tonga amin’ny fibebahana ka handray ny Tompo na hanavao ny fanoloran-tena ho an’ny Tompo.


Ataon’ny devoly izay hahatafintohina anao any amin’ny sampana any, amin’izay mametram-pialana, ka na ny Fiangonana aza tsy mahita ny faladianao intsony. Ary rehefa tsy tonga any am-piangonana ianao dia ho sarotra aminao ny ho tonga amin’ny fibebahana sy fandraisana ny Tompo. Miasa mafy ny devoly ankehitriny mba tsy hatonga ny olona hiaiky heloka sy hibebaka ka handray ny Tompo. Tsy gaga isika raha tonga ka maro ny kristiana no sady mandeha aty am-piangonana mivavaka nefa tsy mahafoy ny fahotany sy ny fanao ratsin’izao tontolo izao.
Ry rahalahy sy anabavy malala ao amin’ny Tompo, ny olona tena nibebaka sy nandray ny Tompo, dia tsy mahavita intsony an’izany mandatsa izany, na inona na inona ratsy ataon’ny olona aminy. Ny olona nibebaka sy nandray ny Tompo, dia tsy mahavita intsony an’izany hoe faly amin’ny fahavoazan’ny hafa izany. Ny olona mbola tsy mibebaka sy tsy mbola nandray ny Tompo no mahavita an’izany. Ny olona mibebaka sy efa nandray ny Tompo dia tsy mahavita intsony miteny ratsy sy manompa. Ho an’ny olona mbola tsy nibebaka sy mbola tsy nandray ny Tompo izany.
Ry havana, malala ao amin’ny Tompo, fahavoazana tsy roa aman-tany raha toa ka ny jiolahy raindahiny hihaona amin’i Jesoa any am-paradisa satria niaiky heloka sy nibebaka, kanefa sanatria, ianao efa nanompo an’Andriamanitra nandritra ny taona maro indray no ho any amin’ny helo satria sady manompo an’Andriamanitra kanefa tsy mahafoy ny fahotana, tsy mahafoy ny fanao ratsin’izao tontolo izao. Raha te hihaona amin’i Jesoa any am-paradisa ianao, dia tsy maintsy miaiky fa mpanota eo antrehan’Andriamanitra. Tanisao ary ekeo amin’Andriamanitra avokoa ny fahotanao rehetra : Izaho Tompo dia mpandainga, mbola voafatotry ny toaka, mbola voafatotry ny sigara, mbola voafatotry fankahalana, mbola voafatotry ny fifosafosana, mbola voafatotry ny lainga sy ny teny ratsy, mbola voafatotry ny fijangajangana, mbola voafatotry ny fahafinaretan’ny nofo, mbola voafatotry ny avonavona, mbola voafatotry ny fitiavam-bola. Ekeo amin’i Jesoa tahaka ny nataon’ity jiolahy ity ny fahotana rehetra, ary aza misy afenina. Rehefa voatanisanao amin’ny Tompo ny fahotana vitanao dia mibebaha, izany hoe aoka hifona amin’Andriamanitra ianao tamin’ny nanaovanao ireo fahotana ireo. Lazao aminy fa tsy hamerina intsony ireo fahotana ireo ianao. Izany no atao hoe mibebaka. Ary raha mijanona amin’izay fibebahana izay ianao dia ho azo antoka fa mbola ho resin’ny devoly ka hiverina hanao indray ireo fahotana efa nifonanao ireo. Mila mandray an’i Jesoa ao am-ponao ianao : Jesoa ô, midira ato am-poko ianao, aoka ianao no handidy sy hanapaka ny fiainako. Ary rehefa manjaka ao am-ponao i Jesoa dia Izy hiady amin’i Satana izay mitaona anao isan’andro hanota indray.
Ry havana malala ao amin’ny Tompo, raha te hihaona amin’i Jesoa ao am-paradisa ianao, raha miala ety, dia mila miaiky heloka sy mibebaka ary mandray an’i Jesoa ao am-ponao. Amena.

SOLI DEO GLORIA

Pasteur Zozo RANDRIAMANANTSOA


CONTACTS

nice-tafo@fpma.church

Pasteur - Toky RAKOTO ANDRIANAVONY
06 51 24 34 24
Président - Andry RATEFINJATOVO
06 51 48 15 60

Diary

Lun Mar Mer Jeu Ven Sam Dim
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31

Bokin'i EKSODOSY

Tafo Nice

HAFATRY ny Bokin'i Jaona

MESSAGES du livre de Jean

Livre de L'EXODE

 

VERS LE HAUT