MAMONJY IREO IZAY MATOKY AZY

MAMONJY IREO IZAY MATOKY AZY TOKOA ANDRIAMANITRA
Dieu sauve ceux qui
se confient vraiment en Lui

 «Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka ô.» (Daniela 3.17)

Fampidirana

Maro be tsy tambo isaina ireo olona efa nijoro vavolombelona ny amin’ny famonjen’Andriamanitra azy. Na dia teto amin’ity Tafo Nice ity fotsiny aza dia efa maro ny fijoroana vavolombelona nambara teto ny amin’izany famonjen’Andriamanitra izany. Raha ny fomba fijerin’olombelona dia tokony ho efa ampy handresy lahatra ny maro ny amin’ny famonjen’Andriamanitra ireo fijoroana vavolombelona maro natao teto. Tsy izany anefa no mitranga fa mbola maro tokoa ireo izay misalasala ny amin’ny famonjen’Andriamanitra. Tena mamonjy tokoa ve Andriamanitra ? Mahatsiaro ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mpihira ara-pilazantsara malaza iray, antsoina hoe Laurent Rakotomamonjy. Efa nivavaka toy ny olona rehetra, mpandray ny Fanasan’ny Tompo, nitory an’i Jesoa tamin’ny alalan’ny hira. Hay tsy natoky ny herin’Andriamanitra, tsy natoky ny famonjen’Andriamanitra, ka rehefa tojo olana sy fizahan-toetra mahamay iray, dia lasa namono tena. Tsy nino izy fa ho afaka hamonjy azy amin’io olona goavana sy fizahan-toetra mahamay io Andriamanitra, dia ny famonoan-tena no hitany fa vahaolana. Ary mbola maro ny kristiana tahaka izany, tsy tena mahatoky ny herin’Andriamanitra izay afaka hamonjy azy amin’ny manjo azy, dia mitady vahaolana any amin’ny zavatra hafa : famonoana eritreritra amin’ny toaka sy ny sigara ary ny rongony, fandehanana any amin’ny voyant(e) na mpimasy na psychologue, fampiasana ny fahaizana amam-pahalalana, sns. Anio, ry havana, ny Tompo dia te hampianatra, te handresy lahatra anao indray, satria tiany loatra ianao, fa MAMONJY IZY, ary mamonjy izay matoky Azy tokoa. Hoy ny Tenin’Andriamanitra eto : «Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka ô.» (Daniela 3.17)


Fanazavana
Tany amin’ny taona 606 talohan’i Jesoa Kristy no niseho ny tantara, tamin’ny fotoana indrindra nanjakan’i Nebokadenezara mpanjakan’ny Babylona. Nanangana sariolona goavana vita amin’ny volamena manontolo i Nebokadenezara. Mirefy 60 hakiho na 30 m eo ho eo ny haavony, ary 6 hakiho na 3 m eo ho eo ny sakany. Novorian’ny mpanjaka ny tompon’andraikitra ambony rehetra teo amin’ny fanjakana mba hanamasina ilay sariolona volamena. Avy eo dia namoaka didy ny mpanjaka, araka izay hita eo amin’ny and.5-6) : «Rehefa mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka, ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra.» Mazava be ny didy. Nalefa ny mpikabary hiantsoantso eran’ny tanàna izany didy izany mba ho fantatry ny olona rehetra. Rehefa nandre ny fanenon’ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ny olona dia nivavaka tokoa sy niankohoka teo anoloan’ilay sariolona volamena. Fa nisy Jiosy 3 lahy, tsy mba nety niankohoka teo anoloan’io sariolona volamena io. Tsy iza ireo fa i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Raha ny marina dia 4 mirahalahy izy ireo no nalain’i Nebokadenezara ho mpanolo-tsainy tao an-dapa ary nomena anarana babyloniana. Tsy iza izy ireo fa i Daniela izay nomena anarana hoe Beltazara (Beltshassar), ny faharoa dia i Hananya, izay nomena anarana babyloniana hoe : Sadraka (Shadrack), ny fahatelo dia i Mishaël, izay nomena anarana babyloniana hoe Mesaka (Méshak), ary ny fahaefatra dia i Azaria, izay nomena anarana babyloniana hoe Abed-Négo (Abednego). Amin’ny maha mpandika ny nofin’ny mpanjaka an’i Daniela dia nomena toerana manokana tao am-dapa izy, izany hoe tsy tafaraka tamin’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Tamin’ny fotoana nampaneno ireo zava-maneno isan-karazany ka tokony hivavahan’ny olona rehetra sy hiankohofany amin’ilay sariolona volamena io dia izy 3 lahy ihany no hitan’ireo kaldiana, fokom-pirenena hafa babo tao Babylona niaraka tamin’ny Jiosy, tsy niankohoka.
Nanao tatitra tany amin’ny mpanjaka ireo olona ireo fa tsy mba niankohoka izy 3 lahy (Sadraka, Mesaka, Abednego). Tezitra mafy ny mpanjaka ka nasainy nalaina ho eo aminy izy 3 lahy. Rehefa tonga teo anoloany izy 3 lahy, amin’ny maha mpanolo-tsaina azy ireo, dia mbola niala nenina taminy i Nebokadenezara, sao dia tsy fanahiniany na endrikendrika fotsiny no ataon’ireto miampanga azy ireto.


Raha mety miankohoka sy mivavaka toy ny olona rehetra eo aneloan’ny sariolona volamena izy 3 lahy dia tsy hatsipy ao anaty lafaoro mirehetra afo. Nazava ny valin-tenin’izy 3 lahy : «Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe : Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin'izany zavatra izany. Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka ô. Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.» (Daniela 3.16-18). Valin-teny mazava, hentitra, feno fahasahiana. Valin-teny mitory fahatokiana tanteraka an’Andriamanitra. Valin-teny mampiseho ny finoany an’Andriamanitra mahery noho i Abokadenezara, mahery noho ny sampiny.
Fa naninona izy 3 lahy no tsy nety nivavaka sy niankohoka teo anoloan’ny sariolona volamena natsangan’i Nebogadenezara ? Satria mazava ny didin’Andriamanitra nomena ny Jiosy tao amin’ny tendrombohitra Sinay : «Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy ; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy ;» (Eksodosy 20.2-5) Ry havana, hentitra ny didin’Andriamanitra mandrara ny Zanak’Israely tsy hanompo sampy, tsy hivavaka sy hiankohoka eo anoloan’ny sampy, na karazana sampy inona io na karazany inona. Izany didin’Andriamanitra izany no nanery azy 3 lahy tsy hiankohoka eo anoloan’ity sariolona volamena, izay sampy nantsangan’i Nebokadenezara ity. Fantatr’izy 3 lahy tsara izany Nebokadenezara izany ; fantany ny heriny, ny tanjany, ny fahefany. Fantany fa tsy mivazivazy izany. Nefa koa etsy andanin’izany, matoa sahy nanohitra ny mpanjaka izy 3 lahy tsy hivavaka sy tsy hiankohoka eo anoloan’ny sariolona volamena natsangan’i mpanjaka, dia fantatr’izy 3 tsara koa hoe : iza moa ilay Jehovah Andriamanitra izay ivavahany ? Fantany fa tsy misy dikany ny herin’i Nebokadenezara eo anoloan’ny herin’Andriamanitra. Fantatr’izy 3 lahy fa mahavita mamonjy azy ireo eo am-pelantanan’i Nebokadenezara sy ny lafaoro mirehitra afo ny Andriamaniny.


Izany no nahasahian’izy ireo niteny hoe : «Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka ô. Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.».

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, izany no tena mpanompo matoky an’Andriamanitra : Tsy manaiky hanompo sampy satria tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra ny sampy. Tsy manaiky hivavaka sy hiankohoka eo anoloan’ny sampy.

Fampiharana
Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao, dia mbola misy dia misy tokoa ireo olona manompo sampy ara-bakiteny tahaka izay notompoin’ny olona fahizay. Mivavaka amin’ny razana, manompo tapakazo, mivavaka amin’ny hazo, biby (Kalanoro), mivavaka amin’ny masoandro sy ny volana. Fa misy dia misy koa ireo olona mety efa tsy miavavaka sy miankohoka amin’ireo sampy tranainy ireo, fa mivavaka sy miankohoka kosa amin’ny sampy moderina.
Fa inona moa, ry havana, no atao hoe sampy ? Efa imbetsaka no nanomezana antsika ny famaritana ny antsoina hoe sampy, fa tsy maninona fa averina amintsika indray izany famaritana izany anio mba hahatonga antsika hahazo tsara izay hafatry ny Tompo ho antsika. Ny sampy dia izay rehetra tompoina mitovy na mihoatra an’Andriamanitra. Hoy ny famaritana ataon’ireo teolojiana isan-karazany ny amin’ny sampy : «L’idolâtrie consiste à élever une chose ou une personne à la première place dans notre vie, à la place de Dieu». Izany hoe ny fanompoan-tsampy dia ny fanaovana ny zavatra iray na olona iray ho ambony sy voalohany eo amin’ny fiainantsika, maka ny toeran’Andriamanitra. Raha ambara amin’ny teny hafa, ny sampy dia izay rehetra na zavatra na olona maka ny toeran’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny olona iray.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, misy ireo sampy moderne izay tompoin’ny olona ankehitriny. Iombonan’ny teolojiana maro ireto sampy moderne ankehitriny ireto. Ny voalohany amin’ireny sampy moderne ireny ny VOLA. Tsy ny vola no ratsy, mila vola ny olona tsirairay, mila mitady vola ny olona tsirairay. Fa io vola io dia lasa sampy rehefa ataon’ny olona mitovy sy ambony noho Andriamanitra. Rehefa mibahan-toerana be loatra eo amin’ny fiainan’ny olona ny vola dia lasa sampy ny vola. Rehefa tratran’ny fitiavam-bola tafahoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra ny olona iray dia tonga sampy ilay vola eo amin’ny fiainany. Ndeha haka ohatra vitsivitsy isika.


Hoy Jesoa : «Dia aza manahy ianareo ka manao hoe : Inona no hohaninay ? na : Inona no hosotroinay ? na : Inona no hotafinay ? Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra ; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.» (Matio 6.31-33) Ampitahao ange ny fikatsahantsika vola mba ahafahantsika mihinana sy misotro sy mitafy sy ny fikatsahantsika ny fanjakan’Andriamanitra ? Efa nomen’ny Tompo 6 andro isika hikatsahana vola aman-karena. Ny andro anankiray no angatahan’ny Tompo hatokana hanompoana azy. Manao ahoana ny fikatsahan’ny olona vola, ary manao ahoana ny fikatsahan’ny olona an’Andriamanitra ? Lasa maka ny toeran’Andriamanitra ny vola sy ny fitadiavam-bola eo amin’ny fiainan’ny olona maro. Lasa ambin-javatra sisa ny fikatsahana an’Andriamanitra satria voabahan’ny fitadiavam-bola ny fotoanan’ny olona. Lasa sampy ilay vola. Sampy moderne hafa : FIALAM-BOLY. Tsy ny fialam-boly no ratsy. Tena ilan’ny vatan’olombelona tokoa ny fialam-boly saingy lasa atakalon’ny olona fialam-boly Andriamanitra, ataon’ny olona ambony noho ny fialam-boly ny fanompoana an’Andriamanitra dia tonga sampy ilay fialam-boly. Amin’y fotoana tokony hatokana hivavahana amin’Andriamanitra any am-piangonana dia lasa miala voly ilay olona. Nataony ambony noho ny fandehanana mivavaka any am-piangonana ny fandehanana miala voly. Lasa sampy ilay fialam-boly. Sampy moderne hafa : OLOMBELONA. Tsy ratsy akory ny olombelona. Zava-boahary tsara indrindra noforonin’olombelona ny olombelona. Saingy rehefa asandratrao, hajainao, ekenao teny mihoatra an’Andriamanitra ny olombelona dia tonga sampy. Misy karazan’olona, rehefa olombelona mahamena maso azy, olombelona atahorany satria sefo na lehibeny, afaka ny handroaka azy amin’ny asany, olombelona manana fahefana, na manam-pahaizana no miteny dia ekeny tsara mihitsy, tanterahany izay lazainy, hajainy fatratra. Fa rehefa Andriamanitra kosa no miteny azy amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra na amin’ny alalan’ireo mpanompon’Andriamanitra mitory, dia tsy asiany vidiny loatra, tsy asiany sirany. Lasa ataony ambony noho Andriamanitra ilay olona ka tonga sampy ilay olombelona. Ry havana, n’iza n’iza ataonao ambony noho Andriamanitra, ekenao teny noho Andriamanitra, hajainao noho Andriamanitra dia tonga sampy. Tsy lazaina intsony ireny mpihira malaza, mpanao baolina malaza, ireny stars isan-karazany zary lasa toy ny andriamanitra kely ivavahana mihitsy. Manao ahoana ny fihorakoraky ny olona sy ny fihobiana ary ny fitehafana ataon’ny olona an’ireny mpihiran’izao tontolo izao ireny. Tsy mahalala reraka, tsy mahalala sasatra, tsy mitandro vola aman-karena. Fa mba manao ahoana kosa ny fihobian’ny olona an’Andriamanitra. Ataon’ny olona ambony noho Andriamanitra ilay olo-malaza, ka lasa sampy tompoiny sy hajainy, omeny voninahitra mihoatra noho Andriamanitra.


Antso
Ry havana, taomin’ny Tompo ianao tsy hanompo ireny sampy moderne ireny. Katsaho mihoatra ny fitadiavanao vola am-karena Andriamanitra. Aza atakalo fialam-boly Andriamanitra. Andrimanitra no tokony eken-teny, hajaina, tompoina mihoatra noho ny olombelona na olon’iza io na olon’iza. Ry havana, ankehitriny dia ny devoly no Nebokadenezara manery ny olona hiankohoka eo anoloan’ny sampy moderne. Raha manana an’i Jesoa Kristy velona ao am-ponao ianao ; raha manana ny Fanahy Masina manjaka eo amin’ny fiainanao ianao, raha matoky tanteraka ny herin’Ilay Andriamanitra ivavahanao ianao, dia tsy hiankohoka eo anoloan’ireny sampy moderne ireny. Raha matoky ianao fa i Jesoa efa nandresy an’i Satana sy ny forongony, ary hatoky an’i Jesoa Kristy, dia hataon’i Jesoa ho mpandresy koa ianao eo anoloan’ireo sampy moderne ataon’i Satana eo anoloantsika isan’andro ireo. Hovonjen’i Jesoa eo anoloan’ireo sampy moderne ireo ianao, ka hikatsaka ny fanjakan’ny lanitra mialohan’ny fikatsahana vola aman-karena, hanao ny asa fanompoana ny Tompo ho ambony noho ny asa fitadiavam-bola aman-karena. Hovonjen’i Jesoa eo anoloan’ireo sampy moderne ianao ka tsy atakalonao fialam-boly sy fahafinaretan’ny nofo Andriamanitra sy ny asany. Hovonjen’i Jesoa amin’ireo sampy moderne ianao ka Andriamanitra no ekenao teny, hajainao fatratra, tompoinao mihoatra noho ny olona. Hain’Andriamanitra ny mamonjy anao amin’ireny sampy moderne isan-karazany ireny. Izay angatahiny aminao dia izao : Matokia Azy ary avelao izy hanjaka ao am-ponao sy eo amin’ny fiainanao. Amena.

SOLI DEO GLORIA

Pasteur Zozo RANDRIAMANANTSOA



Diary

Lun Mar Mer Jeu Ven Sam Dim
1
2
3
4
5
6
8
9
10
11
12
13
15
16
17
18
19
20
22
23
24
25
26
27
29
30

Lettre Mensuelle

 

VERS LE HAUT