KRISTIANA MAHAY MIBANJINA
NY FITIAVAN'ANDRIAMANITRA
2 Tesaloniana 3.5a
«Ary ny Tompo anie hanitsy làlana ny fonareo ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra.»
[Ny Tompo anie hampitodika ny fonareo ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra.]
Manoratra ho an'ny Kristiana any Tesalonika i Paoly eto ; olona azo lazaina fa efa nandray ny Tompo, efa babon'i Kristy ny fony. Matoa anefa i Paoly manoratra taratasy ho an'ny Fiangonana, dia misy antony. Tsy inona akory ny antony fa misy hafatra tiany hampitaina ao, misy fampianarana tiany horaisin'ny kristiana, na misy fanitsiana tiany hatao. Raha ny epistily faharoa ho an'ny Tesalonika manokana, dia ny fampianarana momba ny fiavian'i Jesoa Kristy no tena hafatra lehibe tiany hampitaina ao. Nisy fahadisoan-kevitra mantsy teo amin'ireo jentilisa tonga Kristina. Raha nampianarina izy ireo fa ho avy tsy ho ela ny Tompo, dia nisy fandraisana vilana izany fampianarana izany. Nihevitra araka izany ireto jentilisa tonga kristiana ireto fa tsy ilaina intsony araka izany ny miasa satria ho avy tsy ho ela ny Tompo. Tsy niasa intsony izy ireo ary tsy nanao afa-tsy ny nivavaka satria ho avy tsy ho ela ny Tompo. Mba ho entina manitsy izany fahadisoan-kevitra izany no antony lehibe indrindra nanosika an'i Paoly hanoratra ny Epistily faharoa ho an'ny Tesalonika.
Ny fon'ireto kristiana any Tesalonika ireto dia efa nirona tanteraka tany amin'ny fiandrasana ny fiavian'i Kristy, izay heverirny fa ho avy tsy ho ela, ka nahatonga azy ireo hihevitra fa tsy ilaina intsony ny miasa. Hoy ny Apostoly Paoly eto : «Ary ny Tompo anie hanitsy làlana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra.» Mila hahitsy hoy i Paoly izany fironan'ny fonareo izany : Aoka ny fonareo hitodika amin'ny fitiavan'Andriamanitra. Te hiteny mihitsy i Paoly eto hoe, tsy diso akory ianareo raha miandry ny fiavian'i Kristy, fa izay tokony hironan'ny fonareo bebe kokoa dia ny fibanjinana ny fitiavan'Andriamanitra anareo. Jereo ny fitiavan'Andriamanitra anareo. Manao ahoana ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra anareo ? Ahoana ny fomba iainanareo izany fitiavan'Andriamanitra izany ? Izany , ry havana, no tian'i Paoly hampitaina raha miteny izy eto hoe : «Ary ny Tompo anie hanitsy làlana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra.». Raha ambara amin'ny fomba hafa dia izao : ny Tompo anie hampitodika ny fonareo hahay hibanjina ny fitiavan'Andrimanitra ka hahafantatra ny halehiben'ny fitiavany sy hahay mivelona amin'ny fitiavany. En d'autre terme, l'Apôtre Paul veut dire : Que le Seigneur oriente ton cœur afin qu'il puisse contempler et admirer l'amour de Dieu.
Tsaroana eto, ry havana, ny taratasy voalohany nalefan'i Paoly ho an'ny Korintiana. 1 Kor 13.13 : «Ary ankehitriny dia ireto 3 ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenàna, ny fitiavana ; fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.» Eo am-piandrasana ny fiavian'i Kristy, dia tena zava-dehibe ny mibanjina ny fitiavan'Andriamanitra, tena zava-dehibe ny mahafantatra ny fitiavan'Andriamanitra.
Ry rahalahy sy anabavy malala ao amin'ny Tompo, kristiana maro no very fanahy mbola velona, miraviravy tanana, kivy. Ny mahatonga an'izany dia izao, tsy mahita ny fitiavan'Andriamaitra ireny olona ireny. Tsy mahafantatra ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra ireny olona ireny. Nisy fotoana teto nijerentska ny fijoroana vavolombelon'ilay lehilahy tsy manana tanana tsy manana tongotra nefa nanana fifaliana, nanana fiadanam-po satria manana ny Tompo. Efa notantaraiko teto izany, fa averiko indray, tamin'ny fotoana nahalatsaka ambany dia ambany ny moralen'ny tena, niady varotra tamin'ny Tompo, mihitsy hoe mandra-pahoviana ry Tompo no ataonao mijanona amin'izao situation-ko izao aho. Tamin'izay fotoana izay indrindra no nampahitan'ny Tompo tao amin'ny internet iny témoignage iny aho. Latsaka ny ranomaso teo am-pahitana ilay témoignage. Sady nitomany aho no niteny tao am-poko hoe : ity lehilahy ity aza ry Tompo, tsy misy tanana, tsy misy tongotra, mahita fifaliana. Nahoana aho, izay nomenao Tanana 2, tongotra 2, hery tanjaka, fahasalamana, no mitady tsy hahita fifaliana ? Niverina tao an-tsaiko daholo ny fahasoavana sy ny fitahiana efa nataon'ny Tompo teo amin'ny fiainako. Tena nifona tamin'ny Tompo aho fa nanadino ny fitiavany, tsy nahatsiaro ny fiatahina maro nataony. Io lehilahy tsy nisy tanana sy tsy nisy tongotra io no nampitodika ny masom-panahiko sy ny foko hibanjina indray ny fitiavan'Andriamannitra ahy. Tena tian'Andriamanitra loatra aho. Tena sarobidy amin'Andriamanitra aho. Ary izay mihitsy no teniny : «Malala eo imasoko ianao, sady be voninahitra no tiako». Ry havana, rehefa tsy mibanjina ny fitiavan'Andriamanitra isika dia mahatsiaro ory sy fadiranovana noho ny olona rehetra. Rehefa tsy mijery sy tsy mahita ny fitiavan'Andriamanitra isika, dia mahita fa isika no mijaly indrindra eto ambonin'ny tany. Gaga ny olona, ry havana, raha ilazako fa iny film : "La passion de Christ" iny, dia farafahakeliny efa im-polo nojereko hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany. Inona ny antony ? Tsotra, matetika ny devoly mampahatsiaro ahy sy mandresy lahatra ahy fa ianao dia mampalahelo, jereo ny hanaovan'ny olona anao, tsy asian'ny olona vidiny sy hasiny ianao, mijaly ianao. Lasa aho mijery ilay film hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany. Rehefa mijery ilay film aho dia mibitsika amiko ny Fanahy Masina : ampahafirin'izao mahazo an'i Kristy izao ny mahazo anao ? Ampahafiriny ? Dia hoy aho hoe tsy ampaharivon'ny nanjo an'i Kristy ny manjo ahy. Dia abaribarin'ny Tompo amiko eo ny fitiavan'Andriamanitra ahy. Izaho izay mpanota no tokony natao an'izao nihantra tamin'i Jesoa izao, fa noho ny fitiavany ahy dia Izy no nisolo ny kapoka tokony nikapohana ahy, Izy no nisolo ny famantsihana tamin'ny fantsika rezatra tokony namantsihana ahy. Izy no nibata ny hazo fijalina mavesatra tokony ho nobataiko. Izy no nizaka ny fangirifiriana tamin'ny satro-tsilo izay tokony ho nosatrohako. Nabaribarin'Andriamanitra teo anoloako ny halehiben'ny fitiavany ahy.
Ry havana malala ao amin'ny Tompo, rehefa tena mibanjina an'i Jesoa sy ny fitiavany ianao, dia hahita fa tsy misy dikany io problème mampiferin'aina anao io, tsy misy dikany io iaretanao io. Rehefa mibanjina ny fitiavan'Andriamanitra ianao, dia ho resy lahatra fa tsy misy dikany io fitsapana sy fizahan-toetra manjo anao io. Rehefa mibanjina an'i Jesoa sy ny fitiavany ianao dia ho tsapanao fa tsy misy dikany io maha irery anao io. Aoka ho fantatsika, ry havana, fa ny devoly dangereux be raha hamendrofendro an ! Samy maty zanaka izao ihany, ny sasany izay mahay mibanjina ny fitiavan'Andriamanitra dia mora mionona, mahay mionona. Hoy ilay raim-pianakaviana iray avy nandevina ny zanany tamin'ilay namany, izay nampionona azy : "Notre tour viendra". Mitovitovy amin'ny fomba fitenintsika hoe : "Tombon-dalana ny azy fa isika koa dia mbola hanaraka ny diany". Mora mionona tahaka izany ny mpanompon'Andriamanitra mahay mibanjina ny fitiavan'i Kristy. Ny tena kristiana dia mahita ny fitiavan'Andriamanitra na dia ao anatin'ny fahoriana sy ny fahafatesana aza. Fa ny sasany izay tsy mahay mibanjina ny fitiavan'i Kristy kosa, raha maty zanaka, 5 taona aty aoriana mbola misaona, tsy mionona ihany fa mandeha mitomany eny amin'ny fasana nandevenana ny zanany. Tao amin'ny gazety iray dia nahitako article iray manao hoe : 4 taona taorian'ny nahafatesan'ny zanany 5 taona dia tsy mety miteraka ilay renim-pianakaviana. Tsy mety mionona mihitsy tamin'ny nahafatesan'ny zanany. Rehefa tsy mahay mibanjina ny fitiavan'i Kristy ny olona dia tsy mahita afa-tsy raho-mainty eo amin'ny fiainany. Fa rehefa mahay mibanjina ny fitiavan'i Kristy kosa ny olona dia mahita fifaliana sy fiadanam-po mandrakariva , eny fa na dia mandalo zava-tsarotra aza tsindraindray ny fiainany. Fa hoy i Paoly Apostoly : «Ary ny Tompo anie hanitsy làlana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra.» Na koa hoe : Ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo hahay hibanjina ny fitiavan'Andriamanitra.
SOLI DEO GLORIA
Pst RANDRIAMANANTSOA Zozo