KRISTIANA MAHAY MIBANJINA
NY FITIAVAN'ANDRIAMANITRA
2 Tesaloniana 3.5a
«Ary ny Tompo anie hanitsy làlana ny fonareo ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra.»
[Ny Tompo anie hampitodika ny fonareo ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra.]
Manoratra ho an'ny Kristiana any Tesalonika i Paoly eto ; olona azo lazaina fa efa nandray ny Tompo, efa babon'i Kristy ny fony. Matoa anefa i Paoly manoratra taratasy ho an'ny Fiangonana, dia misy antony. Tsy inona akory ny antony fa misy hafatra tiany hampitaina ao, misy fampianarana tiany horaisin'ny kristiana, na misy fanitsiana tiany hatao. Raha ny epistily faharoa ho an'ny Tesalonika manokana, dia ny fampianarana momba ny fiavian'i Jesoa Kristy no tena hafatra lehibe tiany hampitaina ao. Nisy fahadisoan-kevitra mantsy teo amin'ireo jentilisa tonga Kristina. Raha nampianarina izy ireo fa ho avy tsy ho ela ny Tompo, dia nisy fandraisana vilana izany fampianarana izany. Nihevitra araka izany ireto jentilisa tonga kristiana ireto fa tsy ilaina intsony araka izany ny miasa satria ho avy tsy ho ela ny Tompo. Tsy niasa intsony izy ireo ary tsy nanao afa-tsy ny nivavaka satria ho avy tsy ho ela ny Tompo. Mba ho entina manitsy izany fahadisoan-kevitra izany no antony lehibe indrindra nanosika an'i Paoly hanoratra ny Epistily faharoa ho an'ny Tesalonika.
Ny fon'ireto kristiana any Tesalonika ireto dia efa nirona tanteraka tany amin'ny fiandrasana ny fiavian'i Kristy, izay heverirny fa ho avy tsy ho ela, ka nahatonga azy ireo hihevitra fa tsy ilaina intsony ny miasa. Hoy ny Apostoly Paoly eto : «Ary ny Tompo anie hanitsy làlana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra.» Mila hahitsy hoy i Paoly izany fironan'ny fonareo izany : Aoka ny fonareo hitodika amin'ny fitiavan'Andriamanitra. Te hiteny mihitsy i Paoly eto hoe, tsy diso akory ianareo raha miandry ny fiavian'i Kristy, fa izay tokony hironan'ny fonareo bebe kokoa dia ny fibanjinana ny fitiavan'Andriamanitra anareo. Jereo ny fitiavan'Andriamanitra anareo. Manao ahoana ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra anareo ? Ahoana ny fomba iainanareo izany fitiavan'Andriamanitra izany ? Izany , ry havana, no tian'i Paoly hampitaina raha miteny izy eto hoe : «Ary ny Tompo anie hanitsy làlana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra.». Raha ambara amin'ny fomba hafa dia izao : ny Tompo anie hampitodika ny fonareo hahay hibanjina ny fitiavan'Andrimanitra ka hahafantatra ny halehiben'ny fitiavany sy hahay mivelona amin'ny fitiavany. En d'autre terme, l'Apôtre Paul veut dire : Que le Seigneur oriente ton cœur afin qu'il puisse contempler et admirer l'amour de Dieu.
- Précédent
- Suivant >>