Sao isika mihevitra, ry havana, fa any an’ala ihany no manjaka ny lalàn’ny matanjaka, izay biby mafy be no mifehy ny ala. Fa eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona koa dia ny matanjaka no mifehy ny madinika. Tsy manan-tsafidy ny firenena madinika fa tsy maintsy manaiky izay tian’ny firenenan matanjaka atao. Ohatra : ireny hitantsika amin’ny vaovao ireny, ohatra ny tany Irak, Lybia, ny any M/car. Eo amin’ny karazam-piaraha-monina misy dia mbola manjaka ny lalàn’ny matanjaka. Ny matanjaka ny mifehy ny fiaraha-monina sy manao izay tiany hatao ao amin’ilay fiaraha-monina. Tsy misy ny fanetren-tena. Mampianatra fanetren-tena eto i Jesoa. Raha mihevitra ny tenanao ho matanjaka ianao, mila midina, tsy mifikitra amin’izany herinao izany. Jesoa Kristy, ry havana, no nanome antsika ny modely tsaran’ny fanetren-tena. Ny toerana nisy an’i Jesoa, ry havana, dia tany an-danitra, nefa nanaiky nidina tamin’ny toerana ambany indrindra, teraka tany an-tranon’omby, SDF hoy isika indray mandeha. Tsy nifikitra tamin’ilay toeram-boninahiny fa nidina tenty an-tany. Jesoa Kristy, ry havana, dia marina : Izaho no lalana sy fahamarinana, hoy Izy. Manana ny marina Izy, ary Izy mihitsy Ilay marina. Nefa teo anoloan’ny fanamelohan’i Pilato sy ny Jiosy azy, dia tsy niteny izy Nanaiky hovonoina. Nanana ny marina fa tsy niteny. Jesoa Kristy, ry havana, nanana ny hery rehetra any an-danitra sy ety an-tany, nanana ny fahefana mandringana. Nefa nanaiky hompaina, notenenin-dratsy, nanaiky hosamborina, hovonoina. Hoy ny Soratra masina ao amin’ny Filipiana 2.5-8 : “Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesoa koa, izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikirina mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho nanam-pitoviana amin’ny olona, ary rehefa hita nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana.” Jesoa no modelin’ny fanetren-tena ho antsika. Fanetren-tena, izany no takiana amin’ny mpanara-dia ny Tompo. “Fa izay rehetra manetry tena no hasandratra; ary izay manandra-tena no hahetry”.