Mana 18 Desambra 2014

Mana Isan'Andro
Alakamisy 18 Desambra 2014

Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona,
fa ny teny rehetra izay alaoky ny vavan'Andriamanitra. Matio 4.4

 Ohabolana 24.15-34
15Aza manotrika ao akaikin'ny tranon'ny marina ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany; 16Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana. [Na : ka idiran-doza]. 17Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy; 18Fandrao hitan'i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany. 19Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy ; 20Fa tsy hisy fanantenana [Heb. farany] ho an'ny ratsy ; Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy. 21Anaka, matahora an'i Jehovah sy ny mpanjaka ; Ary aza mikambana amin'izay miovaova [Na : hafa saina noho izany]; 22Fa ho tampoka no hitrangan'izay hanjo ireny ; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin'ny androny [Heb. taonany] ? 23Izao koa no tenin'ny hendry : Tsy mety raha mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana. 24Izay manao amin'ny meloka hoe : Marina ianao, Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena ; 25Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara. 26Izay mahavoa tsara amin'ny famaliana dia manoroka ny molotra. 27Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha ; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao. 28Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao ; Moa hamitaka amin'ny molotrao va ianao ? 29Aza manao hoe : Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony. 30Nandalo ny sahan'ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho ; 31Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron'ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony.

CONTACTS

nice-tafo@fpma.church

Pasteur - Toky RAKOTO ANDRIANAVONY
06 51 24 34 24
Président - Andry RATEFINJATOVO
06 51 48 15 60

Diary

Bokin'i EKSODOSY

Tafo Nice

HAFATRY ny Bokin'i Jaona

MESSAGES du livre de Jean

Livre de L'EXODE

 

VERS LE HAUT