FPMA TAFO NICE

Articles

Ary manomboka manahaka an’Andriamanitra Rainao amin’izay ianao. Rehefa tonga zanak’Andriamanitra ianao ka manao ny sitrapony dia manomboka olona be fitiavana manahaka Ilay Rainao Andriamanitra fitiavana ianao. Dia hotenen’ny olona amin’izay ianao hoe : tena taha-dray tokoa ianao : manahaka an’Andriamanitra Rainao. Manomboka ho olona tia mivavaka amin’izay ianao manahaka an’i Jesoa Zanaka lahitokan’Andriamanitra tia vavaka. Manomboka feno fifaliana amin’izay ny fiainanao, manahaka an’Andriamanitra Rainao. Lasa vitanao ny mamela heloka, lasa vitanao ny tsy mandainga intsony, lasa vitanao ny tsy mamaly ratsy ny ratsy satria efa zanak’Andriamanitra ianao, efa ao anatinao Jesoa Kristy ka herin’i Kristy ao anatinao no hahavitanao izany.
Ry havako, tsarovy ny vaovao mahafalin’ny Noely androany :Tonga teto an-tany i Jesoa Kristy ka ILAY ZANAKY NY DEVOLY TONGA ZANAK’ANDRIAMANITRA, rehefa niaiky ny fahotany, nifona sy niala tamin’ny ratsy fanao, nandray an’i Jesoa tao am-pony ary mivelona amin’ny sitrapon’Andriamanitra. «Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany.» (Jaona 1.12) Anio, ry havana, mbola tsy tara, manapaha hevitra hiala amin’ny maha zanaky ny devoly ho tonga zanak’Andriamanitra. Karakarao ny dossier hidirana ho zanak’Andriamanitra : Miaiky ny fahotana rehetra, mifona sy miala amin’ny ratsy rehetra, mandray an’i Jesoa ary manao ny sitrapon’Andriamanitra.
Amena.

Ny Mpitandrina, RANDRIAMANANTSOA Zozo



Diary

Lettre Mensuelle

 

VERS LE HAUT