FPMA TAFO NICE

Articles

Hoy ny Soratra Masina : «Mahonòna tena, miambena : fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany» (1 Petera 5.8) Haharesy liona mierona ve ianao, ry havana ? Tsia. Raha ny hery maha olombelona antsika dia tsy haharesy ny devoly isika. Izany indrindra, ry havako, no tsy maintsy handraisantsika an’i Jesoa Kristy ao am-pontsika, hiara-monina amintsika. Mandoliha ao amin’ny efitranonao, ary mivavaha hoe : Manomboka anio Jesosy dia midira ato am-poko ianao fa mandray anao aho. Manjakà ato am-poko sy amin’ny fiainako manontolo Ianao. Fa rehefa ao anatinao ao i Jesoa, dia Izy no hifanandrina amin’ny devoly mi-«attaque» anao fa tsy ianao. Ry havana, manomboka eo amin’io fotoana nandraisanao an’i Jesoa io dia tonga zanak’Andriamanitra ianao, izay no hafatra lehibe omen’ny Tompo anao anio : «Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany» (Jaona 1.12) Manomboka eo amin’ny fotoana nandraisanao an’i Jesoa na nandraisanao ny Fanahy masina dia tsy zanaky ny devoly intsony ianao fa tonga zanak’Andriamanitra. Ary izany, ry havana, no tena vaovao mahafaly lehibe amin’izao Noely izao : Ny antony nahatongavan’i Jesoa teto an-tany, ny anton’ny krismasy, dia ny hanala anao tsy ho zanaky ny devoly fa ny hahatonga anao ho zanak’Andriamanitra. Ny Noely na krismasy dia fampahatsiarovana ny olombelona rehetra ilay vaovao mahafaly lehibe : Azon’ny olona iray atao, manomboka tamin’ny fahatongavan’i Jesoa teto an-tany, ny miala amin’ny maha zanaky ny devoly, ho tonga zanak’Andriamanitra. Ary amin’ny fomba tsotra no hahatongavana amin’izany : fanekena ny fanotana natao, fifonana sy fanapahan-kevitra hiala amin’ny fahotana vita hatrizay, mandray an’i Jesoa Kristy ao am-po. Izany, ry havako, ny vaovao mahafalin’ny Noely : Ilay zanaky devoly tonga zanak’Andriamanitra. Ny dingana fahaefatra farany : Manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra izay voarakitra ao amin’ny Baiboly. Fony ianao mbola zanaky ny devoly, dia ny sitrapon’ny devoly no nataonao, manahaka ny devoly ianao satria zanany tamin’izay. Fa rehefa tonga zanak’Andriamanitra kosa ianao dia ny sitrapon’Andriamanitra amin’izay no ataonao.

Diary

Lettre Mensuelle

 

VERS LE HAUT