FPMA TAFO NICE

Articles

Tany amin’ny Genesisy 6 dia efa hitan’Andriamanitra izany fitomboan’ny faharatsian’ny olona izany : «Ary hitan'i Jehovah fa be ny faharatsian'ny olona tambonin'ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin'ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.» (Genesisy 6.5) Dia inona no nataon’Andriamanitra ? Naringany tamin’ny safo-drano aloha ny ratsy fanahy rehetra. I Noa 8 mianaka sisa navelany hiangana. Nitombo ihany anefa ny faharatsian’ny olona, mitombo ny zanaky ny devoly. Niezaka naniraka mpaminany maro Andriamanitra nananatra sy nanitsy ny olona. Vao mainka nitombo ny faharatsian’ny olona fa tsy noraharahiany izay tenin’ny mpaminany. Novonoiny aza ny maro tamin’ireo mpaminany nirahin’Andriamanitra ireo. Tapa-kevitra Andriamanitra, noho ny fitiavana ny olombelona tsy ho very sy tsy ho ringana, fa ny Zanany lahitokana mihitsy no hirahiny ho ety ambonin’ny tany. Nataony tao an-kibon’i Maria virijiny i Jesoa Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, ary teraka, tonga olona. Tsarovantsika androany ny faha 2015 taona ny nahaterahan’Ilay Zanak’Andriamanitra. Vahaolana farany nataon’Andriamanitra izany, ry havana, mialoha ny hanapotehany izao planeta tany izao. Inona no angatahin’Andriamnitra amin’ny mponin’ny tany ny amin’io Zanany malalany nomeny azy io ? Dia hoy ny ambaran’i Jaona eto : «Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany.» (Jaona 1.12) Tian’Andriamanitra esorina amin’ny maha zanaky ny devoly azy ny olombelona ka ho tonga zanak’Andriamanitra. Ary izany no antony nahatongavan’i Jesoa Kristy teto an-tany : mba hahatonga ny zanaky ny devoly rehetra ho tonga zanak’Andriamnitra. Tsy mandeha ho azy na «automatique» izany, ry havana, fa misy zavatra takian’Andriamanitra amin’ny olona. Inona no takian’ny Tompo amin’ny olombelona mba hahatonga azy ho tonga zanak’Andriamanitra ? Tsy mitaky dossier be dia be avy aminao tahaka ny fangatahana «nationalité française» Andriamanitra mba hahatonga anao ho tonga zanany manana zom-pirenen’ny lanitra (nationalité céleste). Izay takian’ny Tompo aminao dia tsotra : MINO SY MANDRAY AN’I JESOA KRISTY.

Diary

Lettre Mensuelle

 

VERS LE HAUT