4) Tsy mahay miteny
Eksodosy 4.10 : «Ary hoy i Mosesy tamin'i Jehovah : Tompo ô ! Mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin'izao itenenanao amin'ny mpanomponao izao aza ; fa votsa-vava sy miadam-piteny aho.»
Asainao hanafaka ny Zanak'Israely aho, hoy Mosesy, tsy maintsy handresy lahatra an'i Farao izany ; tsy maintsy mahay mandresy lahatra ny Zanak'israely koa. Tsy haiko izany miteny izany hoy i Mosesy. Votsa vava aho. Noho izany tsy ho vitako mihitsy izany asa hampanaovinao ahy izany.
Nazava ny valin-tenin'Andriamanitra. Tsy votery mila olona mahay mandahan-teny Andriamanitra. Hoy Andriamanitra eto tamin'i Mosesy : «Iza moa no nanao ny vavan'ny olona ? Ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba ? Tsy izaho Jehovah va ? » (Eksodosy 4.11). Tsy fialan-tsiny azo ato eo anatrehan'Andriamanitra handavana ny antsony, ry havana, ny tsy fahaizana miteny, na ny tsy fahaizana amin'ny ankapobeny. Mifandray amin'ilay nazavaintsika teo aloha mihitsy izany, hoe tsy mahalala dia tsy mety manaiky antsoin'ny Tompo. Ary io tsy fahaizana miteny io no antony handavan'ny kristiana maro tsy hanaony asan'ny Diakona na ireo asa fanompoana hafa ao am-piangonana. Diakona izany, mila mitarika fotoam-pipvavahana, tsy haiko izany. Ny Diakona izany mila mamaky teny sy mivavaka, tsy haiko izany. Mety ho lany hanao ny asan'ny mpitantsoraka milaza ny raharaham-piangonana iny Diakona. Tsy haiko izany. Votsa vava sy tsy mahay miteny aho hoy i Mosesy ka aleo tsy handeha ho any Egypta any.
Mampahatsiaro, ry havana, ny Tompo anio : Iza no nanamboatra ny vavan'ny olona, Izy Andriamanitra. Hain'Andriamanitra ny manamboatra ny vavanao hahay miteny, hahay mivavaka, hahay mitarika fotoana, hahay mitarika fivoriana, sns.... Raha tamin-javatra hafa no nanavanana ny vavanao hatramin'izay, raha manaiky ny antsony ianao, dia hain'Andriamanitra ny manova izany vavanao izany ho tonga havanana amin'ny fanaovana ny asany.