FPMA TAFO NICE

Articles

NY FIANTSOAN'ANDRIAMANITRA TARAFINA TAMIN'NY FIANTSONA AN'I MOSESY (Eksodosy 3 sy 4)

Misy fotoana isika misalasala ny amin'ny antso ataon'Andriamanitra amintsika. Misy fotoana isika mandà mihitsy ny antson'Andriamanitra ataony amintsika. Mosesy lehilahy malaza ao amin'ny Testamenta Taloha, lehilahy izay tonga fitaovana teo am-pelatanan'Andriamanitra nanehoany ny heriny , ny fahalebiazany sy ny fahefany. Raha nandre ny antson'Andriamnitra anefa izy tamin'ny voalohany dia nandà izany antson'ny Tompo izany. Anio, ry havana, dia hijery manokana isika ireo antony nentin'i Mosesy nandà ny antson'Andriamanitra raha niantso azy ny Tompo.
Rehefa nitsoaka avy tao Egypta i Mosesy, dia nandeha tany anefitra ary nitoetra tany nandritra ny 40 taona. Tany no nisehoan'Andriamanitra taminy manokana ka niantsoan'ny Tompo azy hiverina any Egypta hanafaka ny zanak'Israely teo ambany fanandevozan'i Farao. Tamin'ny voalohany dia nandà izany antson'Andriamanitra izany izy. Antony 5 no nentiny nandà ny antson'ny Tompo. Entina amintsika ireo antony 5 nandavan'i Mosesy ny antson'Andriamanitra. Amin'ny ankapobeny mantsy dia mbola antony handavan'ny olona ny antson'ny Tompo ankehitriny ireo antony nandavan'i Mosesy ny antson'Andriamanitra ireo.

1) Tsy mendrika hono izy

Eksodosy 3.11 : «Fa hoy i Mosesy tamin'Andriamanitra : Iza moa aho no hankany amin'i Farao sy hitondra ny Zanak'Israely hivoaka avy any Egypta ? »
Mahatsapa ho tsy mendrika i Mosesy, mahatsiaro ho tsy misy valeur, tsy misy dikany, kely hery. Mametraka ny tenany ho tsinotsinona eo anoloan'ny halehiben'ny asa iantsoan'ny Tompo azy. "Iza moa aho no hankany amin'i Farao sy hitondra ny zanak'Israaely hivoaka avy any Egyptiana ? " Fantatsika anefa ny tantara, fa fony i Mosesy mbola tao an-dapan'i Farao dia izy no nofanina hitarika ny miaramilan'i Farao. 40 taona aty aoriana, rehefa nantsoin'Andriamanitra hanafaka ny zanak'Israely izy dia milaza ny tenany ho bitika, tsinontsinona ka tsy hahavita izany mission izany. Mbola tsy fantantr'i Mosesy eto fa tsy izy no hanafaka ny zanak'Israely, tsy ny heriny, tsy ny fahaizany, tsy ny fahalalany, tsy ny fahamendrehany no entiny manafaka ny zanak'Israely. Izy dia fitaovana fotsiny ihany. Andriamanitra no tena hiasa, Andriamanitra no tena hanafaka fa izy dia fitaovana fotsiny ihany.


Mbola izany koa, ry havana, no antony ambaran'ny kristiana maro rehefa antsoin'Andriamanitra hanao ny asany izy. Iza moa aho no mba hanao izany asa masina izany. Izaho anie ka olona tsy mendrika, izaho anie ka tsinontsinona ; izaho anie ka saron-kenatra, izaho anie ka tsy mahay mivavaka sns.... Izaho izao ve dia hahavita izany asan'ny diakona izany, izaho izaho ve dia hahavita izany asan'ny Birao izany ? Izaho izao ve dia hahavita izany asan'ny Mpiandry izany ? Izaho izaho ve dia hahavita izany mpitantsoratra na mpitahiry vola na Filoha izany ? Izaho izao ve dia hahavita mitory teny izany. Mandà ny antson'Andriamanitra ny olona maro satria mihevitra ny tenany ho tsy mendrika izany antso izany, tsinontsinona, mpanota. Iza moa aho hoy i Mosesy no handeha ho any amin'ny Farao ? Dia mbola misy Mosesy maro ankehitriny miteny hoe : Iza moa aho no mba hanao ny asan'ny Diakona ? Iza moa aho no mba hanao ny asan'ny Biraom-piangonana na sampana ? Iza moa aho no mba hanao ny asan'ny mpiandry ? Tsy mendrika izany aho ? Izaho izay mbola mpanota.

2) Tsy mahalala hono izy

«Ary hoy i Mosesy tamin'Andriamanitra : Indro, rehefa tonga any amin'ny Zanak'Israely aho ka manao aminy hoe : Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho aty aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy : Iza moa no anarany ? dia ahoana no havaliko azy ? »
Raha handeha ho any amin'ny Zanak'Israely aho, hoy i Mosesy, dia hiteny amin'izy ireo hoe : Ilay Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho aty. Ka raha hanontany ahy izy ireo hoe : Iza moa ny anarany ? Inona no havaliko azy ireo. Izao tsy mahalala akory hoe iza moa ianao miantso sy maniraka ahy io. Aleo aho tsy ho any. Ianao aza tsy fantatro akory. Hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy : "Izaho izay izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Ary hoy koa Izy : Izao no holazainao amin'ny Zanak'Israely : Izaho izay Izy no efa naniraka ahy ho aty aminareo.". Io anaran'Andriamanitra io no nanome an'i Mosesy ny fahasahiana nilaina nentiny niatrinka ny 40 taona ho avy nanatanterahany ny iraka nampanaoviny azy nanafahana ny zanak'Israely. Ny fahafantarany an'Andriamanitra no nahafahany naharitra tamin'ny fanaovany ny irak'Andriamanitra.
Izany koa mazana no antony handavan'ny olona ny antson'Andriamanitra. Raha hanaiky hanao ny asan'ny Diakona aho, tsy misy fantatro ny momba izany asan'ny Diakona izany. Raha hanaiky ny antson'Andriamanitra hanao ny asan'ny Birao aho, tsy fantatro inona no hatao amin'izany ? Inona no hatao amin'izany asan'ny mpitantsoratra izany ? Inona no hatao amin'izany asan'ny mpitanm-bola izany ? Inona no hatao amin'izany asan'ny Filoha izany ? Inona no hatao amin'izany asan'ny Mpitory teny izany ? Inona no hatao amin'izany asan'ny mpiandry izany ? Tsy fantatro ny momba izany noho izany aleo aho tsy hanao an'izany ? Tsy hilingilingy amin'ny zavatra tsy hay. Ny zavatra tsy hay tsy hibitabitahana. Tsy mbola nisy, ry havana, olona vao teraka tonga dia nahay ny asan'ny Diakona. Tsy mbola nisy olona vao teraka dia nahay ny asan'ny Birao. Tsy mbola nisy olona vao teraka dia nahay mpitantsoratra. Tsy mbola nisy olona vao teraka dia nahay mpitanm-bola na nahay Filoha. Tsy mbola nisy olona vao teraka dia nahay ny asan'ny mpiandry. Ireny olona rehetra ireny dia nanaiky ilay antso, nianatra ilay asa, ary nanaiky hampianarina.
Tsy izany ihany fa raha mahafantatra marina an'Andriamanitra ianao dia tsy hiteny mihitsy hoe tsy haiko izany asa izany. Andriamanitra tsy mamela mihitsy ny olona antsoiny hiasa irery. Izy Andriamanitra no mampianatra anao hanao ny ilay asa. Izany koa no antony nandavan'i Jeremia ny antson'Andriamanitra. Hoy i Jeremia : "Indrisy, Jehovah Tompo ô ! Indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza." Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jeremia : "Indro efa nataoko ao am-bavanao ny teniko." (Jeremia 1.6-9). I Jeremia ilay nilaza ny tennany hoe mbola zaza aho tsy mahay mandahan-teny aho. Andriamannitra no mametraka teo ambavanao ny teny. Raha manaiky ny antson'ny Tompo ho Mpitandrina ianao, ny Tompo no hampianatra anao ny asan'ny Mpitandrina. Raha manaiky ny antson'ny Tompo hanao ny asan'ny Diakona ianao, Izy Tompo no hampianatra anao ny asan'ny Diakona. Raha manaiky ny antson'ny Tompo hanao ny asan'ny Birao ianao, ny Tompo no hampianatra anao ny asan'ny Birao. Raha manaiky ny antson'ny Tompo hanao ny asan'ny mpiandry ianao, Izy no hampianatra anao ny asan'ny mpiandry. Mitady tsy hanaiky ny antson'Andriamanitra i Mosesy fa milaza ho tsy mahalala na dia ny anaran'Andriamannitra Ilay niantso azy aza. Izy Andriamanitra no nampahafantatra an'i Mosesy ny anarany : "Izaho ilay Izy." Ry havana, maneke ny antson'Andriamanitra fa Izy no hampahafantatra sy hampianatra anao ny asa izay hataonao. Tsy mahalala ianao izao, fa mampanantena anao izy fa ataony mahay izany asa hiantsoany anao izany ianao raha manaiky ny antsony.


3) Tsy ampy fahatokisantena (manqué de credibilité)

«Ary namaly i Mosesy ka nanao hoe : Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe : Tsy niseho taminao i Jehovah.» (Eks. 4.1). Avy hatrany dia fanahiana no mibahana betsaka ao an-tsain'i Mosesy. Izay ilay atao hoe tsy fahatokisan-tena. Fanahiana fa mety tsy hihaino azy ny olona, fanahiana fa mety tsy hino izay lazainy ny olona. Manahy sahady i Mosesy ny amin'ny mety tsy ho fahombiazan'ny asa hataony. Ny vahaolana tsotra indrindra aminy dia aleo tsy mandeha, aleo tsy manao ilay iraka.
Ry havana, antony iray mahatonga ny kristiana tsy mety mamaly ny antson'ny Tompo dia satria vao manomboka mihitsy dia ny fanahiana no mibosesika ao an-dohany ao. Tsy ho vitako izany asana diakona izany. Sao aho manao candidat eo dia tsy lany dia afa-baraka, simba ny image-ko eo anatrehan'ny olona. Sao aho ihomehezan'ny olona eo raha manao ka tsy mahay. Sao aho ataon'ny olona resaka eo raha manao ka tsy mahavita tahaka ny nataon'ny teo aloha. Avy hatrany dia ilay sao be dia be no tonga avy hatrany ao an-tsaintsika ao. Ny mivavaka aza manahirana ahy ka hipingapinga hanao ny asan'ny Diakona ; ny mijoro eo imasom-bahoaka asa manahirana ahy ka ndeha hilingilingy hanao biraom-piangonana na biraon'ny sampana. Sao ataon'ny olona fihomehezana eo, sao hofosain'ny olona eo. Ny fahendrena dia ny mipetraka tsara. Matahotra ny ho arabirabian'ny namany : Ialahy izao ve no mba hanao Diakona ? Indry izao ve no mba ho biraon'ny sampana ? Ianao izao ve no mba ho mpiandry ?
Dia mbola hanao tahaka an'i Mosesy ihany ve ianao ? Tsy ampy fahatokisan-tena, feno fisalasalana, feno fanahiana raha antsoin'ny Tompo hanao ny asany. Ry havana, mba hanalan'Andriamanitra ny tsy fahatokisan-tena sy ny fisalasalan'i Mosesy dia nanehoan'Andriamanitra fahagagana izy. Atsipazo iny tehina eny an-tananao iny. Natsipy ary lasa bibilava. Raiso amin'ny rambony ny bibilava, dia noraisin'i Mosesy ka niverina ho tehina indray. Nasain'Andriamanitra natsofoka tao an-tratran'i Mosesy indray ny tanany ka tonga boka. Nasaina natsofony fanindroany tao an-tratrany indray dia niverina tamin'ny tanany teo aloha. Izany no nataon'Andriamanitra dia ny mba hanalana ny tsy fahatokisan-tena sy ny fisalasalan'i Mosesy. Ry havana, te hanala ny fisalasalanao Andriamanitra, te hanaisotra ny tsy fahatokisan-tena ao anatinao ao Andriamanitra. Aza mijery olona fa aoka ny Tompo no jerenao. Maro ireo asa ilàn'ny Tompo olona ato amin'ity Fiangonana ity. Aza avelanao hangasihasy Andriamanitra ka sanatrian'izany handà ny antson'Andriamanitra ny rehetra. Esory ny fisalasalana, esory ny tsy fahatokisan-tena, esory ny fanahiana. Raha miantso anao ny Tompo, meteza hanaiky ny antsony.


 

4) Tsy mahay miteny
Eksodosy 4.10 : «Ary hoy i Mosesy tamin'i Jehovah : Tompo ô ! Mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin'izao itenenanao amin'ny mpanomponao izao aza ; fa votsa-vava sy miadam-piteny aho.»
Asainao hanafaka ny Zanak'Israely aho, hoy Mosesy, tsy maintsy handresy lahatra an'i Farao izany ; tsy maintsy mahay mandresy lahatra ny Zanak'israely koa. Tsy haiko izany miteny izany hoy i Mosesy. Votsa vava aho. Noho izany tsy ho vitako mihitsy izany asa hampanaovinao ahy izany.
Nazava ny valin-tenin'Andriamanitra. Tsy votery mila olona mahay mandahan-teny Andriamanitra. Hoy Andriamanitra eto tamin'i Mosesy : «Iza moa no nanao ny vavan'ny olona ? Ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba ? Tsy izaho Jehovah va ? » (Eksodosy 4.11). Tsy fialan-tsiny azo ato eo anatrehan'Andriamanitra handavana ny antsony, ry havana, ny tsy fahaizana miteny, na ny tsy fahaizana amin'ny ankapobeny. Mifandray amin'ilay nazavaintsika teo aloha mihitsy izany, hoe tsy mahalala dia tsy mety manaiky antsoin'ny Tompo. Ary io tsy fahaizana miteny io no antony handavan'ny kristiana maro tsy hanaony asan'ny Diakona na ireo asa fanompoana hafa ao am-piangonana. Diakona izany, mila mitarika fotoam-pipvavahana, tsy haiko izany. Ny Diakona izany mila mamaky teny sy mivavaka, tsy haiko izany. Mety ho lany hanao ny asan'ny mpitantsoraka milaza ny raharaham-piangonana iny Diakona. Tsy haiko izany. Votsa vava sy tsy mahay miteny aho hoy i Mosesy ka aleo tsy handeha ho any Egypta any.
Mampahatsiaro, ry havana, ny Tompo anio : Iza no nanamboatra ny vavan'ny olona, Izy Andriamanitra. Hain'Andriamanitra ny manamboatra ny vavanao hahay miteny, hahay mivavaka, hahay mitarika fotoana, hahay mitarika fivoriana, sns.... Raha tamin-javatra hafa no nanavanana ny vavanao hatramin'izay, raha manaiky ny antsony ianao, dia hain'Andriamanitra ny manova izany vavanao izany ho tonga havanana amin'ny fanaovana ny asany.


5) Fandavana fotsiny izao

«Fa hoy izy (Mosesy) : Tompo ô mifona aminao aho, iraho izay tianao irahina.» (Eks. 4.13). Rehefa tsy hitan'i Mosesy intsony izay antony na arguments entina mandà ny antson'Andriamanitra, dia nandà bontolo fotsiny izao izy. Somary henjana ny tenin'i Mosesy eto. Iraho izay tianao irahina fa izaho aza irakirahana mankany Egypta izany. Raha vantanina ny tian'i Mosesy tenenina dia izany. Lazao izay tianao lazaina fa tsy ho any fotsiny izao aho. Olon-kafa irahina ho any. Teto dia tezitra mafy tamin'i Mosesy Andriamanitra noho izany valin-teniny izany. Hoy ny voalaza eo amin'ny and. 14 : «Dia nirehitra tamin'i Mosesy ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy izy : Tsy ao ihany va Arona levita rahalahinao, Fantatro fa mahay mandahan-teny izy...». Mahita olona maro azoko irahina aho, mahita olona maro mahay miteny, mahay mandahan-teny, tahaka an'i Arona rahalahinao, fa ianao no tiako irahina.
Ry havana malala ao amin'ny Tompo, kristiana maro no mandà bontolo fotsiny izao ny antson'Andriamanitra. Anontanianao ny antony dia tsy misy fa dia tsy te hanao fotsiny izao izy. Tsy te hanao fotsiny izany asan'ny Diakona izany aho, tsy te hanao fotsiny izany asan'ny biraom-piangonana na biraon'ny sampana izany aho. Tsy te hanao fotsiny izany asan'ny mpiandry izany aho. Te hiteny tahaka an'i Mosesy mihitsy ireny olona ireny hoe : tsy mahavita aho ry Tompo fa olon-kafa antsoina a ! Na koa miteny amin'ny Tompo ireny olona ireny hoe tsy ity iantsoanao ahy ity no tiako hatao fa ity. Tahaka ny ray aman-dreny maniraka ny zanany ao an-trano. Mandehana ry Ikoto matsaka rano fa tsy misy rano mihitsy ao an-tsinibe ao. Dia hoy Ikoto : Tsy ny matsaka rano no tiako hatao fa ny mamafa tokotany. Ilay olona no mi-impose amin'Andriamanitra ny asa tiany hatao, dia izay asa tsy dia manahirana, ilay asa tsotsotra kokoa; ilay asa tsy hahitana problème loatra, ilay asa tsy dia hahitana fanenjehana loatra. Olon-kafa irahina hoy i Mosesy fa izaho tsy hanao an'io, izaho tsy handeha ho any Egypta any.
Ry havana malala ao amin'ny Tompo, mba tsy hahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra hirehitra aminao tahaka izay nampirehitra ny fahatezerany tamin'i Mosesy, dia aza mandà bontolo fotsiny ny antson'Andriamanitra. Andriamanitra no mifidy ny asa fanompoana mety aminao fa tsy ianao. Ahitanao olona amin'Andriamanitra ny fandavanao ny antsony, ny tsy fetezanao hirahiny. Tsarovy, ry havana, fa tsy afaka haninona aminao Andriamanitra raha mandà ny antsony ianao. Ianao no antsoiny ary ianao no nofidiany satria ianao no tiany hanao ilay asa. Mety misy olona hafa mahay tsara io asa io, fa ianao no tiany hanao io asa io. Tsarovy koa anefa fa hain'Andriamanitra ny mampiasa ny vato hiantsoantso rehefa tsy mety ianao. Amena.
SOLI DEO GLORIA

Mpitandrina RANDRIAMANANTSOA Zozo.


CONTACTS

nice-tafo@fpma.church

Pasteur - Toky RAKOTO ANDRIANAVONY
06 51 24 34 24
Président - Andry RATEFINJATOVO
06 51 48 15 60

Diary

Lun Mar Mer Jeu Ven Sam Dim
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31

Bokin'i EKSODOSY

Tafo Nice

HAFATRY ny Bokin'i Jaona

MESSAGES du livre de Jean

Livre de L'EXODE

 

VERS LE HAUT