Mbola izany koa, ry havana, no antony ambaran'ny kristiana maro rehefa antsoin'Andriamanitra hanao ny asany izy. Iza moa aho no mba hanao izany asa masina izany. Izaho anie ka olona tsy mendrika, izaho anie ka tsinontsinona ; izaho anie ka saron-kenatra, izaho anie ka tsy mahay mivavaka sns.... Izaho izao ve dia hahavita izany asan'ny diakona izany, izaho izaho ve dia hahavita izany asan'ny Birao izany ? Izaho izao ve dia hahavita izany asan'ny Mpiandry izany ? Izaho izaho ve dia hahavita izany mpitantsoratra na mpitahiry vola na Filoha izany ? Izaho izao ve dia hahavita mitory teny izany. Mandà ny antson'Andriamanitra ny olona maro satria mihevitra ny tenany ho tsy mendrika izany antso izany, tsinontsinona, mpanota. Iza moa aho hoy i Mosesy no handeha ho any amin'ny Farao ? Dia mbola misy Mosesy maro ankehitriny miteny hoe : Iza moa aho no mba hanao ny asan'ny Diakona ? Iza moa aho no mba hanao ny asan'ny Biraom-piangonana na sampana ? Iza moa aho no mba hanao ny asan'ny mpiandry ? Tsy mendrika izany aho ? Izaho izay mbola mpanota.
2) Tsy mahalala hono izy
«Ary hoy i Mosesy tamin'Andriamanitra : Indro, rehefa tonga any amin'ny Zanak'Israely aho ka manao aminy hoe : Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho aty aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy : Iza moa no anarany ? dia ahoana no havaliko azy ? »
Raha handeha ho any amin'ny Zanak'Israely aho, hoy i Mosesy, dia hiteny amin'izy ireo hoe : Ilay Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho aty. Ka raha hanontany ahy izy ireo hoe : Iza moa ny anarany ? Inona no havaliko azy ireo. Izao tsy mahalala akory hoe iza moa ianao miantso sy maniraka ahy io. Aleo aho tsy ho any. Ianao aza tsy fantatro akory. Hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy : "Izaho izay izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Ary hoy koa Izy : Izao no holazainao amin'ny Zanak'Israely : Izaho izay Izy no efa naniraka ahy ho aty aminareo.". Io anaran'Andriamanitra io no nanome an'i Mosesy ny fahasahiana nilaina nentiny niatrinka ny 40 taona ho avy nanatanterahany ny iraka nampanaoviny azy nanafahana ny zanak'Israely. Ny fahafantarany an'Andriamanitra no nahafahany naharitra tamin'ny fanaovany ny irak'Andriamanitra.
Izany koa mazana no antony handavan'ny olona ny antson'Andriamanitra. Raha hanaiky hanao ny asan'ny Diakona aho, tsy misy fantatro ny momba izany asan'ny Diakona izany. Raha hanaiky ny antson'Andriamanitra hanao ny asan'ny Birao aho, tsy fantatro inona no hatao amin'izany ? Inona no hatao amin'izany asan'ny mpitantsoratra izany ? Inona no hatao amin'izany asan'ny mpitanm-bola izany ? Inona no hatao amin'izany asan'ny Filoha izany ? Inona no hatao amin'izany asan'ny Mpitory teny izany ? Inona no hatao amin'izany asan'ny mpiandry izany ? Tsy fantatro ny momba izany noho izany aleo aho tsy hanao an'izany ? Tsy hilingilingy amin'ny zavatra tsy hay. Ny zavatra tsy hay tsy hibitabitahana. Tsy mbola nisy, ry havana, olona vao teraka tonga dia nahay ny asan'ny Diakona. Tsy mbola nisy olona vao teraka dia nahay ny asan'ny Birao. Tsy mbola nisy olona vao teraka dia nahay mpitantsoratra. Tsy mbola nisy olona vao teraka dia nahay mpitanm-bola na nahay Filoha. Tsy mbola nisy olona vao teraka dia nahay ny asan'ny mpiandry. Ireny olona rehetra ireny dia nanaiky ilay antso, nianatra ilay asa, ary nanaiky hampianarina.
Tsy izany ihany fa raha mahafantatra marina an'Andriamanitra ianao dia tsy hiteny mihitsy hoe tsy haiko izany asa izany. Andriamanitra tsy mamela mihitsy ny olona antsoiny hiasa irery. Izy Andriamanitra no mampianatra anao hanao ny ilay asa. Izany koa no antony nandavan'i Jeremia ny antson'Andriamanitra. Hoy i Jeremia : "Indrisy, Jehovah Tompo ô ! Indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza." Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jeremia : "Indro efa nataoko ao am-bavanao ny teniko." (Jeremia 1.6-9). I Jeremia ilay nilaza ny tennany hoe mbola zaza aho tsy mahay mandahan-teny aho. Andriamannitra no mametraka teo ambavanao ny teny. Raha manaiky ny antson'ny Tompo ho Mpitandrina ianao, ny Tompo no hampianatra anao ny asan'ny Mpitandrina. Raha manaiky ny antson'ny Tompo hanao ny asan'ny Diakona ianao, Izy Tompo no hampianatra anao ny asan'ny Diakona. Raha manaiky ny antson'ny Tompo hanao ny asan'ny Birao ianao, ny Tompo no hampianatra anao ny asan'ny Birao. Raha manaiky ny antson'ny Tompo hanao ny asan'ny mpiandry ianao, Izy no hampianatra anao ny asan'ny mpiandry. Mitady tsy hanaiky ny antson'Andriamanitra i Mosesy fa milaza ho tsy mahalala na dia ny anaran'Andriamannitra Ilay niantso azy aza. Izy Andriamanitra no nampahafantatra an'i Mosesy ny anarany : "Izaho ilay Izy." Ry havana, maneke ny antson'Andriamanitra fa Izy no hampahafantatra sy hampianatra anao ny asa izay hataonao. Tsy mahalala ianao izao, fa mampanantena anao izy fa ataony mahay izany asa hiantsoany anao izany ianao raha manaiky ny antsony.