Mana 17 Jolay 2015

Mana Isan'Andro
Zoma 17 Jolay 2015

Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona,
fa ny teny rehetra izay alaoky ny vavan'Andriamanitra. Matio 4.4

Ezekiela 45.18-25, 46.1-10
18Izao no lazain'i Jehovah Tompo : Raha mby amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia haka vantotr'ombilahy tsy misy kilema ianao ka hanadio [Heb. hanafaka ota] ny fitoerana masina. 19Ary hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny amin'ny tolan'ny trano sy amin'ny zoro efatra amin'ny rindrin'ny alitara ary amin'ny tolan'ny vavahadin'ny kianja anatiny. 20Ary toy izany koa no hataonao amin'ny andro fahafito amin'ny volana ho an'ny olona manota tsy nahy, na noho izy kely saina, ka dia hanao fanavotana ho an'ny trano ianareo. 21Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska ; andro firavoravoana hafitoana izany, ka mofo tsy misy masirasira no hohanina. 22Ary amin'izany andro izany ny mpanjaka dia hanatitra vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany sy ny vahoaka rehetra. 23Ary amin'ny andro firavoravoana hafitoana dia hanatitra fanatitra dorana isan'andro mandritra ny hafitoana ho an'i Jehovah izy, dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema, ary osilahy iray isan'andro hataony fanatitra noho ny ota. 24Ary hanatitra ny fanatitra hohanina koa izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy, ary diloilo eran'ny hina isan-efaha. 25Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, amin'ny andro firavoravoana, dia hanatitra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota, na ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hohanina, na ny diloilo.
46.1-10
1Izao no lazain'i Jehovah Tompo : Ny vavahadin'ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha ; fa amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy.


2Dia hiditra avy any ivelany amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan'ny tolam-bavahady, ary ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany dia haterin'ny mpisorona, ary ny mpanjaka hiankohoka eo amin'ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy ; ary tsy hirindrina ny vavahady, raha tsy efa hariva ny andro. 3Ary ny vahoaka koa hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah eo am-bavahady amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana. 4Ary ny fanatitra dorana izay haterin'ny mpanjaka ho an'i Jehovah amin'ny andro Sabata dia zanak'ondry enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema koa. 5Ary ny fanatitra hohanina fanampin'ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra hohanina fanampin'ireo zanak'ondry dia araka izay tiany [Na : tratry ny ananany], ary ny diloilo iray hina isan'efaha. 6ary amin'ny andro voaloham-bolana dia vantotr'ombilahy iray tsy misy kilema sy zanak'ondry enina ary ondrilahy iray ; samy tsy hisy kilema ireo. 7Ary hanatitra fanatitra hohanina izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy koa ; ary ny amin'ny zanak'ondry dia araka izay tiany [Na : tratry ny ananany], ary ny diloilo dia iray hina isan'efaha. 8Ary raha miditra ny mpanjaka, dia amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady no hidirany ary amin'ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany. 9Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahana, dia izay miditra amin'ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin'ny vavahady atsimo kosa ; ary izay miditra amin'ny vavahady atsimo dia hivoaka amin'ny vavahady avaratra kosa : tsy hiverina amin'ilay vavahady nidirany izy, fa amin'izay tandrifiny ihany no hivoahany 10Ary ny mpanjaka dia hiara-miditra amin'ireo, ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy.

Hojerentsika ao anatin'io teny io ny hoe
inona no fahamarinana asehon'ny teny novakiana ?

Rehefa avy nandinika sy namakafaka tsara an'io teny novakiana io ianao dia toa izao ny fanazavana omen'ny Mpiara Mamaky ny Baiboly :


FETY SY FANOMPOANA VAOVAO

Fetin’ny taom-baovao :
Tsy mba voalaza tamin’ny lalàn’i Mosesy io fa omen’Andriamanitra ho fanao vaovao eto.
Fanadiovana ny fitoerana masina izay toerana manokana ifandraisana amin’Andriamanitra, fanaovana fanatitra noho ny ota tsy nahy sy ny an’ireo izay tsy mahalala akory ny ataony izay mahaloto ny fiainan’ny vahoaka ary fanaovana Paska izay hahatsiarovana ny fanavotana nataon’Andriamanitra ho an’ny Isiraely avy tamin’ny fanandevozana. Tsy famonoana biby natao fanatitra, na ilay hanaovana hanim-pitoloha, fa fanadiovana sy fahatsiarovana ny asam-pamonjena vitan’i Jesoa Kristy, Ilay nanolotra ny tenany ho fanatitra no fankalazana ny taom-baovao amin’izay ankasitrahin’ny Andriamanitra.

Ny toerana manokan’ny mpitondra :
Ny mpitondra no manome ny ohatra ary miaraka amin’ny vahoaka izy amin’ny fanatonana an’Andriamanitra.
Andriakitr’izy ireo manokana koa ny manao fifonana ho an’ny vahoaka tarihiny.
Ny sehatra rehetra maha-mpitarika olona antsika dia ilantsika ampiharana izany.

“Araka izay tratry na ananany”
Araka izay fananana navelan’Andriamanitra ho an’ny olona dia asainy manao fanatitra ho Azy izy.
Tsy noho ny filan’Andriamanitra ireny manokana anefa fa efa Azy rahateo ny tany sy izay rehetra eo aminy, fa ny ahitany avy amintsika fa mankasitraka izay nomeny isika ary manao Azy ho ambony noho izay omeny antsika.
Tsy mitovy ny omeny ny tsirairay avy saingy araka izay nomeny avy dia mitovy ny fitakiany hanatonana Azy.

Fiankohofana
Fanehoana fanetren-tena eo anatrehan’Andriamanitra sy fanekena ny fahalehi-biazany izany.
Tsy mitovy ny toerana, andraikitra, fari-pananana fa mitovy ny takian’ny maha-olona manaraka an’Andriamanitra : manatona sy mifandray aminy (ny tempoly no tandindon’izany) ary miankohoka eo anatrehany.

Hamaranantsika ity Mana androany Zoma ity dia hivavaka ho an'ny asa fitoriana any amin'ireo faritra sarotra idiran'ny filazantsara isika ary dia hivavaka ho an'ireo izay mijaly, sy ampahoriana noho ny finoany an'i Jesoa Kristy.

Isan'andro dia manontania tena hoe misy andinin-tSoratra Masina hafa mety hanampy na hameno, na hanazava kokoa izay novakiana androany ve ?

Mpiara Mamaky ny Baiboly - Mana Isan'Andro
"Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao"
Salamo 119.105


CONTACTS

nice-tafo@fpma.church

Pasteur - Toky RAKOTO ANDRIANAVONY
06 51 24 34 24
Président - Andry RATEFINJATOVO
06 51 48 15 60

Diary

Lun Mar Mer Jeu Ven Sam Dim
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31

Bokin'i EKSODOSY

Tafo Nice

HAFATRY ny Bokin'i Jaona

MESSAGES du livre de Jean

Livre de L'EXODE

 

VERS LE HAUT