Mana 20 Oktobra 2018

Mana Isan'Andro
Asabotsy 20 Oktobra 2018

Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona,
fa ny teny rehetra izay alaoky ny vavan'Andriamanitra.
Matio 4.4

Lioka 23.26-43
26Ary raha nitondra an'i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an'i Jesosy. 27Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy. 28Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe : Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo. 29Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe : Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza. 30Dia hilaza amin'ny tendrombohitra hoe izy : Mianjerà aminay ; ary amin'ny havoana hoe : Saròny izahay. 31Fa raha ataony amin'ny hazo maitso izany hatao ahoana amin'ny maina ? 32Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa. 33Ary rehefa tonga teo amin'ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an'i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany. 34Ary hoy Jesosy : Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany. 35Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe : Namonjy ny sasany Izy ; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, dia Ilay nofidina. 36Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra, 37sady nanao hoe : Raha Hianao no Mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tenanao. 38Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe : ITY NO MPANJAKAN'NY JIOSY. 39Ary ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe : Tsy Hianao va no Kristy ? vonjeo ny tenanao sy izahay. 40Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe : Moa ianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza ? 41Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika ; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza. 42Ary hoy izy : Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao. 43Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.

Hojerentsika amin'izany ny hoe inona no lazainy momba
an'Andriamanitra Ray, Jesoa Kristy na ny Fanahy ?

Rehefa avy nandinika sy namakafaka tsara an'io teny novakiana io ianao dia toa izao ny fanazavana omen'ny Mpiara Mamaky ny Baiboly :

JESOA SY NY FAMONJENA

Jesoa sy Simona
Tsy fantatra mazava ny andro sy toerana nanoloran’ity Simona ity ny fiainany ho an’ny Tompo fa ny fantatra dia izy no rain’i Alexandro sy Rofosy (Marka 15.21).
Rofosy, ilay voafidy ao amin’ny Tompo (Romana 16.13).
Azo heverina ho nitondra fiovana teo amin’ny fiainany sy ny safidiny ny nihaonany tamin’i Jesoa teto.
Mahagaga loatra ny fiasan’ny Tompo.

Jesoa sy ny vehivavin’i Jerosalema
Ontsa, nalahelo tanteraka nahita sy niaina ny fijalian’i Jesoa ireto vehivavy.

Diary

Lun Mar Mer Jeu Ven Sam Dim
1
2
3
4
6
7
8
9
10
11
13
14
15
16
17
18
20
21
22
23
24
25
27
28
29
30
31

Lettre Mensuelle

 

VERS LE HAUT