Mety tsy manompo sampy tahaka an'i Tera rain'i Abrahama intsony isika, tsy manompo sarivongana vita amin'ny hazo, vato, vy ; tsy manompo razana. Fa zary lasa andriamanitra kely ivavahan'ny olona ankehitriny ny vola, tompoiny sy hajainy fatratra mihoatra an'Andriamanitra. Toa aty am-piangonana ihany Andriamanitra no Tompontsika sy Andriamanintsika, fa amin'ny andavan'andro dia hafa mihitsy no Tompontsika sy Andriamanintsika. Ny vola no zary andriamanitra kely tompointsika rehefa andavan'andro. Zary lany amin'ny fikatsahana izany ny fotoanantsika fa ny sombintsombiny amin'ny fotoanantsika sisa hikatsahantsika an'Andriamanitra sy ny fanjakany. Efa tsy hozatry ny fiainana intsony ny vola fa zary lasa andriamanitry ny fiainana mihitsy. Reraka sy sasatra ary torovana amin'ny hazakazaka fikatsahana an-dravola dia tsy manana hery intsony hivavahana isan'andro, hamakiana Tenin'Andriamanitra isan'andro. Aty am-piangonana miondrika eo anatrehan'Andriamanitra ary manambara hoe : Tompoko sy Andriamanitro Ianao. Andavan'andro miondrika eo anatrehan'ny vola manao hoe : tompoko sy andriamanitro ianao. Maro amin'ny kristiana no milaza hoe : tsy hivavaka aho aloha anio fa reraka mafy noho ny fitadiavam-bola nandritra ny herinandro. Fa ny Alatsinainy izy dia iny fa lasa mitady vola indray na dia reraka aza. Ny fanompoana an'Andriamanitra mahazo mandefitra fa ny fitadiavana vola tsy mandefitra mihitsy satria zary lasa andriamanitra kely tompoina ny vola.