Rehefa natehin'i Tomasy teo amin'ny tanan'i Jesoa ny tanany ary nataony teo amin'ny lanivoany ny tanany, dia voatsapan'ny tanany ny holatry ny namantsihana ny tanan'ny Tompo sy ny holatra teo amin'ny lanivohany nandefonana Azy. Resy lahatra i Tomasy fa i Jesoa ilay nohombohana teo ambony hazo fijalina tokoa ity manoloana azy ity. I Jesoa ilay maty teo ambony hazo fijaliana tokoa ity velona sy nitsangana tamin'ny maty ity. Teo no nanaovan'i Tomasy ilay fanekam-pinoana miezinezina : "Tompoko sy Andriamanitro". Izany hoe Ianao Jesoa Ilay mandidy sy manapaka ny fiainako, Ianao ilay Tompon'ny fiainako manontolo ; Ianao no Andriamanitro. Raha nanambara izany finoana lehibe izany i Tomasy teo anatrehan'i Jesoa, raha tsy Andriamanitra i Jesoa dia tsy maintsy nanitsy an'i Tomasy avy hatrany Izy ka nanao hoe : Tsia, diso ianao ry Tomasy fa tsy Andriamanitra Aho fa olona tsotra toa anao ihany. Tsy Andriamanitra Aho fa mpaminany tahaka ny mpaminany rehetra. Raha tsy Andriamanitra i Jesoa, ry Havana, dia tsy maintsy nanitsy an'i Tomasy tahaka izany. Fa mazava ny resaka, tsy nandiso na nanitsy an'i Tomasy Izy fa nanaiky ny fanambarany : Tompo sy Andriamanitra i Jesoa. Nanaiky ny tenany ho Andriamanitra i Jesoa.
Ry havana malala ao amin'ny Tompo, tsy i Tomasy ihany no mampahafantatra an'i Jesoa ho Andriamanitra fa ny Tenin'Andriamanitra amin'ny ankapobeny. Hoy ny voalaza ao amin'ny Isaia 9.5 : "Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra mahery." Faminaniana nataon'i Isaia ny amin'ny hahaterahan'i Jesoa ity toko sy andininy ity. Ilay Zaza ambara eto dia i Jesoa, izay ambarany mazava eto hoe : "Andriamanitra mahery." Ilay Zaza ho teraka dia tsy vitan'ny hoe Andriamanitra fa "Andriamanitra mahery". Santionany ihany ireo, ry havana, ny amin'ny fanamafisan'ny Baiboly manontolo an'i Jesoa ho Andriamanitra.