FINOANA no andehanantsika...

Izay mino Azy dia manana firaisana Aminy hanantanteraka ilay iraka napetrany.

B- Ny iraka napetraky ny Tompo amintsika :
Tamin’ny fisehoan’I Jesosy voalohany tamin’ny mpianany hoy Izy : “Fiadanana ho anareo. Tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.” (Jao. 20.21). Inona no iraka nampanaovin’ny Ray an’I Jesosy ? Ny hampihavana ny olona amin’Andriamanitra. Tsy ny hanao fahagagana, na ny fanasitranana, na ny fampianarana (Témoignages daholo ireny fa Izy Ilay iraky ny Ray, Ilay Zanak’Andriamanitra) fa ny tena mission an’I Jesosy : dia hampihavana ny olona amin’Andriamanitra. Inona no nampisaraka antsika amin’Andriamanitra ? Ny otantsika, “ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitra” (Isaia 59.2) Ary io otantsika io, io helotsika io no nentin’I Jesosy teo amin’ny hajofijaliana (ny Zoma masina), nariany tany amin’ny fiainantsihita (ny Asabotsy mangina), ary nandresy ny fahafatesana Izy ka nitsangana tamin’ny maty ny Alahady Paska. “Ny ràny teo amin’ny hajofijaliana no nanaovany FAMPIHAVANANA” (Kol. 1.20) Fampihavanana ny olona amin’Andriamanitra no mission nanirahan’ny Ray an’I Jesosy, ary fampihavanana ny olona amin’Andriamanitra koa no anirahan’I Jesosy antsika tsirairay androany : “Tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy, no anirahako anareo kosa.” (Jao. 20.21) Hoy koa Izy hoe : “Izay mino Ahy ny asa ataoko no ataony koa” (Jao. 14.12) ary “sambatra ny mpampihavana, fa izy no atao hoe zanak’Andriamanitra” (Mat. 5.9)
Izao anefa ry Havana, mba ahafahanao mandray ny faneva, manohy ny asan’I Jesosy, mahatontosa ny iraka nampanaoviny, mila mitovy aminy ianao vao hahavita ny asa. Izany no mahatonga Azy nanisy fofonaina mahavelona, ka niteny hoe : “Raiso ny Fanahy Masina”. Eo amin’ny Batisa sy ny konfirmasion’ny Batisa no mandray ny Fanahy Masina isika dia afaka mitarika olona ho eo amin’I Jesosy, afaka mitarika olona hihavana amin’Andriamanitra. Manana zanaka ara-panahy isika amin’izay. Ny Apostoly Paoly ohatra, nanana an-dry Titosy sy Timoty ary Filemona sy ireo fiangonana maro izay nanoratany Epistily ; Ny Apostoly Jaona nanana ny fiangonana fito tany Asia. Raha 12 ihany ny mpianatry I Jesosy Kristy tamin’ny voalohany, misy firy izao ny mpanara-dia an’I Kristy ? Misy firy izao ny Kristiana eran-tany ?
Hoy I Napoleon Bonaparte alohan’ny hafatesany : “Izaho Emperora nandritry ny demi-siècle tsy nahazo an’I Eoropa manontolo akory, fa I Jesosy telo taona fotsiny ny naharetan’ny ministerany, tsy basy tsy sabatra teny an-tànany, tsy miaramila na fitaovam-piadiana nananany, nefa azony daholo atrany Asia, Afrika, Amerika, Eoropa tsy tenenina intsony.”.

CONTACTS

nice-tafo@fpma.church

Pasteur - Toky RAKOTO ANDRIANAVONY
06 51 24 34 24
Président - Andry RATEFINJATOVO
06 51 48 15 60

Diary

Lun Mar Mer Jeu Ven Sam Dim
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31

Bokin'i EKSODOSY

Tafo Nice

HAFATRY ny Bokin'i Jaona

MESSAGES du livre de Jean

Livre de L'EXODE

 

VERS LE HAUT