Atalata 1 Oktobra

Soratra Masina ho an’ny herinandro
Levitikosy 25.18
Ary araho ny didiko, ary tandremo ny fitsipiko, ka araho izy ; dia handry fahizay amin’ny tany hianareo.

Mana Isan'Andro
Atalata 1 Oktobra 2024

Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona,
fa ny teny rehetra izay alaoky ny vavan'Andriamanitra.
Matio 4.4

1 Samoela 11.1-15
Ny nandresen’i Saoly ny Amonita, sy ny nanavaozana ny fanjakana
1Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin'i Jabesi-gileada ; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin'i Nahasy : Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay. 2Fa hoy Nahasy Amonita : Izao no hanaovako fanekena aminareo : hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany. 3Fa hoy ny loholon'i Jabesy taminy : Omeo andro hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra, ka raha tàhiny tsy misy olona hamonjy anay, dia hivoaka hanatona anao izahay. 4Dia tonga tany Gibean'i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan'ny vahoaka ; dia nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany. 5Ary, indro, Saoly tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe : Inona izato nanjo ny olona, no mitomany izy ? Ary nambarany azy ny tenin'ny mponina tao Jabesy. 6Dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran'i Saoly, raha nandre izany teny izany. 7Dia naka omby roa izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin'ny fari-tanin'ny Isiraely rehetra ka nataony hoe : Na iza na iza tsy mivoaka hanaraka an'i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana an'i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray ihany izy. 8Ary nandamina azy tany Bezeka izy, dia telo hetsy no isan'ny Zanak'Isiraely, ary telo alina no isan'ny lehilahy amin'ny Joda.
9Ary hoy izy tamin'ny iraka izay tonga teo : Izao no holazainareo amin'ny mponina ao Jabesi-gileada: Rahampitso ilay efa mafampana iny dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin'ny mponina tao Jabesy ; ka dia faly ireo. 10Ary hoy ny mponina tao Jabesy : Rahampitso no hivoahanay ho eny aminareo, dia hataonareo aminay izay rehetra sitrakareo. 11Ary nony maraina, dia nozarain'i Saoly ho telo toko ny olona, ka tonga teo amin'ny toby tamin'ny fiambenana maraina izy ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan'ny andro ; koa izay sisa dia niely patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin'ny roa aza.
12Ary hoy ny vahoaka tamin'i Samoela : Iza moa no nanao hoe : Saoly va no hanjaka aminay ? Atolory ireny olona ireny hataonay maty. 13Fa hoy Saoly : Tsy hisy olona hatao maty anio ; fa androany no nanaovan'i Jehovah famonjena teo amin'ny Isiraely.


14Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka : Andeha isika hankany Gilgala hanavao ny fanjakana any. 15Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala ; ary tany Gilgala no nananganany an'i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan'i Jehovah ; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely.

Ho jerentsika amin'izany ny hoe
Inona no ampianariny momba ny olombelona ?
Inona no tsara alain-tahaka, na tsy tokony hatao ?

Rehefa avy nandinika sy namakafaka tsara an'io teny no vakiana io ianao dia toa izao ny fanazavana omen'ny Mpiara Mamaky ny Baiboly :

FANDRESENA VOALOHAN’I SAOLY

Firaisan-kina nanoloana ny fahavalo. Taorian’ny Filistina, ireo fahavalo avy any atsimo-andrefana, dia indreo indray ny Amonita, fahavalo efa hatrany aloha, avy any atsinanana, no miomana hanafika an’Isiraely. Ny mpanjaka Amonita Nahasy (midika hoe : menarana) no nampihorohoro ny firenena manodidina rehetra. Ny fanapotsirana ny voamaso ankavanana dia fanao jentilisa entina handemena ny herin’ny fahavalo. Nihevitra i Nahasa fa tsy manana mpitondra afaka hanakambana ny vahoaka manontolo Isiraely. Diso hevitra nefa izy fa tsy nahalala an’i Saoly, izay tsy mba naneho hakanosana toa ireo vahoaka (4), fa naneho ny maha-olom-baovao azy, nandray ny hosotry ny mpanjaka, sy ny Fanahin’Andriamanitra (6, 10.6, 9). Tamin’ny fahatezerana masina sy fahakingan-tsaina no nijoroany, nanambatra ny vahoaka ho andiany iray, mba hitondra famonjena ho an’ireo rahalahiny notandindomin-doza (7-8, 11).

Mpitarika lehibe. Ny fandresena azony no afaka ho antony hamelezana ireo mpanohitra ny fanjakany (12), fa tsy sitrak’i Saoly ny fanaovana vali-faty (13). Toetra tsara azo marihina teo amin’i Saoly izany. Fa indreto koa misy toetra tsara roa nasehon’i Saoly :
1°) Na dia voahosotra ho mpanjaka aza izy dia nanohy niasa tany ihany (5 ; jereo koa 8.14-17) ;
2°) Tsy nandray ho voninahiny ny fandreseny izy fa nomeny voninahitra Andriamanitra (13) ! Tsy nahagaga raha naha-mafy orina ny fanjakany izany, no sady nanatsara ny fifandraisany tamin’Andriamanitra, ka nitondra fifaliana ho an’ny rehetra (14-15). Eto no tanteraka ilay nambaran’i Samoela tany amin’ny 1 Samoela 10.8. Fotoana lehibe nametrahana an’i Saoly teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka Isiraely, fotoana nanomezam-boninahitra sy haja an’Andriamanitra !

Baiko : Omeo voninahitra hatrany Andriamanitra ao anatin’ny fahombiazana sy ny fandresena !

Anio Atalata isika dia hivavaka ho an'ny mpitondra fivavahana sy ny kristiana.


Isan'andro dia manontania tena hoe misy andinin-tSoratra Masina hafa mety hanampy, na hameno, na hanazava kokoa izay novakiana androany ve ?

Mpiara Mamaky ny Baiboly - Mana Isan'Andro
"Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao"
Salamo 119.105

Fikambanana Mpiara Mamaky ny Baiboly Malagasy





CONTACTS

nice-tafo@fpma.church

Pasteur - Toky RAKOTO ANDRIANAVONY
06 51 24 34 24
Président - Andry RATEFINJATOVO
06 51 48 15 60

Diary

Bokin'i EKSODOSY

Tafo Nice

HAFATRY ny Bokin'i Jaona

MESSAGES du livre de Jean

Livre de L'EXODE

 

VERS LE HAUT