Alatsinainy 30 Septambra

NENTINA TEO AMIN’NY VAHOAKAN’ISIRAELY I SAOLY

Ny fangatahana mpanjaka dia midika ho fandàvana an’Andriamanitra (17-19). Nataon’Andriamanitra ho zava-dehibe ny mampahatsiahy io fahamarinana io, alohan’ny hanolorany izay nofidiany ho mpanjaka. Izao no atao hoe sitrapo navela hitranga (volonté permissive)-n’Andriamanitra ! Satria hatrany am-boalohany ny sitrapon’Andriamanitra (volonté décretive) dia ny hahatonga Azy ho Mpanjaka tokana eo amin’Isiraely (théocratie) ! Izany indrindra no nataon’Andriamanitra mba hampiavaka ny firenena nofidiany amin’ireo fanjakana jentilisa manodidina ! Noho ny fangatahana toa fitalahoana mihitsy nataon’ny vahoaka nefa dia nanendry mpanjaka tsy fidiny Izy.

Natolotra ho mpanjaka i Saoly (20-25). Nisy ny fombafomba maro natao mialohan’ny hanolorana an’i Saoly mba hinoan’Isiraely fa Andriamanitra marina no nanendry azy ho mpanjaka (19b-24). Nampiomana ny vahoaka Andriamanitra fa ny mpanjaka dia hanana ny fitondrany : mety ho mafy sy sarotra izany, saingy tsy maintsy heken’izy ireo (25, 8.11-17).

Mpomba sy mpanohitra ! Hatrany am-boalohany dia nomen’Andriamanitra olona nomba azy i Saoly tao amin’ny fanjakany (26). Sarobidy izany manoloana ny fisian’ny olona ratsy fanahy izay mety hanisy ratsy sy hanimba ny fanjakana. Mariky ny fahendrena izay nasehon’i Saoly, raha novaliany tamin’ny fahanginana ny fanarabiana azy (27). Ndao hivakaka ho an’ireo olona manodidina ny fitondrana eo amin’ny firenentsika ! Mba hanao fanompoana anatin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana anie izy ireo ! Amena.

Fatokiana : « …Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika ? » (Romana 8:31)

Anio Alatsinainy isika dia hivavaka ho an'ny Fampianarana sy ny Fanabeazana.

Isan'andro dia manontania tena hoe misy andinin-tSoratra Masina hafa mety hanampy, na hameno, na hanazava kokoa izay novakiana androany ve ?

Mpiara Mamaky ny Baiboly - Mana Isan'Andro
"Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao"
Salamo 119.105

Fikambanana Mpiara Mamaky ny Baiboly Malagasy


solika fmmb


CONTACTS

nice-tafo@fpma.church

Pasteur - Toky RAKOTO ANDRIANAVONY
06 51 24 34 24
Président - Andry RATEFINJATOVO
06 51 48 15 60

Diary

Bokin'i EKSODOSY

Tafo Nice

HAFATRY ny Bokin'i Jaona

MESSAGES du livre de Jean

Livre de L'EXODE

 

VERS LE HAUT