Toriteny

Lioka 14.1-14

Nanasa an'i Jesoa nisakafo tao an-tranony ny Fariseo anankiray. Nisy olona maromaro koa nasaina tamin'izany, toy ny mpahay lalàna tao amin'ny Tempoly, sy ny maro hafa. Andro Sabata io andro io. Nanao fampianarana tamin'ireo olona nanatrika izany fanasana izany i Jesoa. Fampianarana 3 misongadina sy miavaka tsara no nampianarin'i Jesoa eto.

  • Manaiky hobaikon’ny fitiavana ny mpanara-dia ny Tompo
    (and.1-6)

    Nanararaotra ny fanatrehan’ireo mpahay lalàna tao amin’ny Tempoly tonga nanatrika ity fanasana ity i Jesoa nampianatra azy ireo ny fototra ijoroan’ny lalàna (la base de la loi) sy ny fanahin’ny lalàna (l’esprit de la loi) Niainga tamin’ny fanasitranana ilay olona manirano, na marary mibontsina feno rano ny vatany, ny resaka. Nanontany i Jesoa eto : Mety va ny mahasitrana amin’ny sabata sa tsia ? Tsy namaly ireo. Mpahay lalàna tao amin’ny Tempoly no nanontaniana fa tsy sahy namaly. Te hanitsy ny fampiharana ny didy faha 4 eto i Jesoa, ny didy faha 4 manao hoe : “Mahatsirova ny andro sabata hanamasina azy.” Mba ho entina mampihantra izany didy izany dia namorona fitsipika kely be dia be ireto mpahay lalàna ireto toy ny hoe voafetra ny halaviran-dalana azonao haleha rehefa sabata, raha vao mihoatra io dia mandika ny sabata ianao ; raha misy ravin-kazo latsaka eo ambony lohanao amin’ny andro sabata ka manala an’iny ianao dia efa toy ny miasa ka mandika ny sabata ; raha noana eny an-dalana dia tsy azo atao ny maka voankazo na zavatra azo hohanina, na mioty na mijinja fa raha manao izany dia mandika ny sabata ; raha misy olona marary dia tsy azo atao ny mitondra azy any amin’ny mpitsabo na mitsabo izany marary izany fa fandikana ny sabata izany. Raha latsaka anaty lavaka fatsakana kosa anefa ny biby fiompinao dia azo atao ny mamonjy azy ka manala azy ao anatin’ny lavaka fatsakana. Tsy fandikana ny sabata ny fanaovana izany. Misy lisitra lavabe ireo fitsipika noforonin’ireto mpahay lalàna ireto ny amin’ny sabata. Izany indrindra no tian’i Jesoa hahitsy eto. Im-betsaka i Jesoa no nanasitrana andro sabata izay tsy azo natao mihitsy teo amin’ny fitsipika jiosy. Eto ny Tompo dia nanasitrana andro sabata teo anatrehan’ireo mpahay lalàna jiosy mihitsy. Nositranin’i Jesoa ilay olona manirano, olona feno rano ny vatany, ary sitrana. Tena zavatra mahatezitra ny Jiosy izany nefa nataon’ny Tompo satria hitany fa tsy maintsy hahitsy. Ny omby aza vonjenareo raha latsaka anaty lavaka amin’ny andro sabata. Fa manoatra noho ny omby ny olona, tsy maintsy vonjena raha mila famonjena na dia sabata aza. Jesoa, ry havana, dia mampianatra ao amin’ny Filazantsara manontolo fa fa ny fototry ny lalàna dia fitiavana (la base de la loi c’est l’amour), ny fanahin’ny lalàna dia ny fitiavana (l’esprit de la loi c’est l’amour). Koa ny lalàna manitsakitsaka izany fitiavana izany dia noravany, nahitsiny. Ao amin’ny Filazantsara manontolo, dia izao no fampianaran’i Jesoa ny amin’ny lalàna : Azo fintinina amin’ny teny 2 ny lalàna rehetra : Fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana tahaka ny tena.


    Tian’i Jesoa loatra ity olona narary ity, tiany hositrana, tiany ho afaka, ka tsy nisalasala izy nanasitrana azy ny andro sabata. Io fitsipika nataon’ny mpahay lalàna jiosy io dia misakana sy manitsakitsaka ny fitiavana ka tsy azo arahina. Ny fitiavana no mibaiko an’i Jesoa satria Izy rahateo dia Andriamanitra fitiavana. Ny fitiavana no fototry ny lalàna sy fanahin’ny lalàna. Noho izany dia izany fitiavana izany no tokony hibaiko ny mpanara-dia ny Tompo rehetra. Ny lalàna rehetra mety hanohintohina sy hanimba ny fitiavana dia tsy azo arahina ary ravàna. Ny lalàna tsy mitondra ho amin’ny fitiavana dia tsy izy. Izay nataon’i Jesoa eto, ry havana, dia ny namerina ny lalàna ho amin’ny fototra maha izy azy. Ny fototry ny didy folo dia ny fitiavana. Ohatra : Aza mamono olona. Satria tianao ilay olona dia tsy vonoinao. Na raha tena tia ilay olona iray ianao dia tsy hamono azy. Aza mangalatra. Raha tena tia ilay olona iray ianao dia tsy hangalatra ny fananany. Ny fitiavana no fototry ny lalàna rehetra. Raha tena tia ity olona marary ity ianao dia sitrano izy na ento any amin’ny mpitsabo. Te hampahatsiaro ireo olona manana pouvoir legislatif sy pouvoir executif ireo i Jesoa fa izany fitiavana izany no fototra sy mibaiko ny lalàna rehetra. Ry havana malala ao amin’ny Tompo, izay takiana amin’ny mpanara-dia ny Tompo rehetra dia ny manaiky ho baikon’ny fitiavana fa tsy hobaikon’ny lalàna. Ny olona baikon’ny fitiavana dia mahatanteraka ho azy ny lalàna rehetra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, satria misy lalàna maro tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra araka izay hitantsika eto (Tsy mahazo manasitrana andro sabata). Fa ny olona baikon’ny lalàna fotsiny tahaka ireto mpahay lalàna sy Fariso ireto, dia tsy voatery hanana fitiavana. Ireto mpahay lalàna ireto, dia mpanaraka ny lalàna fatratra, nefa nahavita namono nahafaty an’i Jesoa Kristy. Fantany anefa fa fahotana ny mamono olona. Izay takiana amin’ny mpanara-dia ny Tompo dia manaiky ho baikon’ny fitiavana.


  • Feno fanetren-tena ny mpanara-dia ny Tompo
    (and. 7-11)

    Toetra iray koa tian’i Jesoa nanitsiana ireto mpahay lalàna sy Fariseo ireto ny fananan’izy ireo toetra tia manambony tena, mihevitra ny tenany ho zavatra,mihevitra ny tenany ho tsy misy toa azy. Maro ny endrika isehoan’izany fiheveran-tena ho zavatra izany teo amin’ny fiaraha-monina Jiosy. Ohatra iray no noraisin’i Jesoa eto dia ny fitiavana mipetraka eny aloha rehefa amin’ny fanasana. Marihana fa amin’ny fanasana indray no resaka eto fa tsy ao amin’ny Fiangonana intsony. Ireto Fariseho sy mpanao lalàna ireto mihitsy mantsy no tena mpanao izany: tia mipetraka eo aloha, amin’izay hitan’ny olona rehefa amin’ny fanasana. Aleo, hoy i Jesoa, mipetraka any aoriana aloha ary ny mpanasa anao no milaza aminao hoe : Ry sakaiza mandrosoa eroa aloha kokoa. Mahazo haja kokoa ianao amin’izay. Toy izay tonga dia mipetraka eny aloha, ary rehefa tonga ny olona mihaja kokoa noho ianao dia hanala anao eo amin’io toerana io ny tompon’ny fanasana mandefa anao any aoriana. Ho afa-baraka ianao amin’izay. Toy izao no namehezan’i Jesoa ny fampianarany ary izany no tiany hampitaina eto : “Fa izay rehetra manandra-tena no hahetry ary izay manetry tena no asandratra.” Mampianatra i Jesoa fa ny mpanara-dia Azy dia mila manetry tena. Efa nisy Tenin’Andriamanitra nampianatra antsika ny amin’ny fanetren-tena teto. Ny manetry tena, ry havana, dia midina amin’izay heverinao fa maha izy azy anao. Tsy mifikitra amin’izay heveirnao fa maha izy azy anao. Eto izao dia resaka toerana amin’ny fanasana no noraisin’i Jesoa ho ohatra. Raha ny maha izy azy ahy sy nametrahan’ny fiaraha-monina ahy dia eny aloha no toerana sahaza ahy. Mila manetry tena ianao, mipetraka any aoriana aloha. Raha ny fahaizana amam-pahalalako dia izaho no manana ny marina. Ahoana ny fanetren-rena ? Midina ianao ary mila manaiky fa misy hafa koa mba manana ny marina na dia tsy tampo-pahaizana tahaka anao aza. Misy an’izay Prof nampianatra anay izay, rehefa mandeha ny adihevitra eo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra,, ka miana-kendry manohitra ny heviny ianao : Avy hatrany dia mivatravatra : “Mangina ianao fa mbola Bacc ny diplaomanao”. Dia tapina ny daomy. Diso ny hevitrao. Eo amin’ny firenena dia misy olona mihevitra ny tenany ho tsy diso mihitsy. Ao amin’ny ankohonana dia misy olona mihevitra ny tenany ho manana ny marina foana. Eo amin’ny Fiangonana n’aiza n’aiza dia misy olona mihevitra ny tenany ho tsy diso mihitsy ka tsy maintsy ny heviny no harahina. Fiheveran-tena ho zavatra izany. Tsy manana ny fanahin’ny fanetren-tena. Mila midina, mila manetry tena. Eo amin’ny tanjaka sy ny hery, dia misy mihevitra ny tenany ho matanjaka sy mahery dia manjakazaka amin’ireo izay malemy. Izaho no matanjaka, izaho no mafy be, mila manaiky ahy daholo ny rehetra. Ahoana ny fanetren-tena ? Mila midina ianao. Mila manaiky ianao fa tsy misy dikany io tanjaka sy herinao io eo anatrehan’Andriamanitra ka tsy tokony hanjakazaka amin’ny hafa ianao.


    Sao isika mihevitra, ry havana, fa any an’ala ihany no manjaka ny lalàn’ny matanjaka, izay biby mafy be no mifehy ny ala. Fa eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona koa dia ny matanjaka no mifehy ny madinika. Tsy manan-tsafidy ny firenena madinika fa tsy maintsy manaiky izay tian’ny firenenan matanjaka atao. Ohatra : ireny hitantsika amin’ny vaovao ireny, ohatra ny tany Irak, Lybia, ny any M/car. Eo amin’ny karazam-piaraha-monina misy dia mbola manjaka ny lalàn’ny matanjaka. Ny matanjaka ny mifehy ny fiaraha-monina sy manao izay tiany hatao ao amin’ilay fiaraha-monina. Tsy misy ny fanetren-tena. Mampianatra fanetren-tena eto i Jesoa. Raha mihevitra ny tenanao ho matanjaka ianao, mila midina, tsy mifikitra amin’izany herinao izany. Jesoa Kristy, ry havana, no nanome antsika ny modely tsaran’ny fanetren-tena. Ny toerana nisy an’i Jesoa, ry havana, dia tany an-danitra, nefa nanaiky nidina tamin’ny toerana ambany indrindra, teraka tany an-tranon’omby, SDF hoy isika indray mandeha. Tsy nifikitra tamin’ilay toeram-boninahiny fa nidina tenty an-tany. Jesoa Kristy, ry havana, dia marina : Izaho no lalana sy fahamarinana, hoy Izy. Manana ny marina Izy, ary Izy mihitsy Ilay marina. Nefa teo anoloan’ny fanamelohan’i Pilato sy ny Jiosy azy, dia tsy niteny izy Nanaiky hovonoina. Nanana ny marina fa tsy niteny. Jesoa Kristy, ry havana, nanana ny hery rehetra any an-danitra sy ety an-tany, nanana ny fahefana mandringana. Nefa nanaiky hompaina, notenenin-dratsy, nanaiky hosamborina, hovonoina. Hoy ny Soratra masina ao amin’ny Filipiana 2.5-8 : “Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesoa koa,  izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikirina mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho nanam-pitoviana amin’ny olona, ary rehefa hita nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana.” Jesoa no modelin’ny fanetren-tena ho antsika. Fanetren-tena, izany no takiana amin’ny mpanara-dia ny Tompo. “Fa izay rehetra manetry tena no hasandratra; ary izay manandra-tena no hahetry”.


  • Mijery ireo mila vonjy ny mpanara-dia ny Tompo
    (and. 12-14)

    Manomboka eo amin’ny and. 12-14 indray i Jesoa dia mampianatra ny olona hijery ireo mila vonjy. Mbola resaka fanasana amin’ny sakafo ihany no ohatra noraisin’i Jesoa. Fomba fanaon’ny Jiosy sasany fahizay, rehefa mifanasa hisakafo dia ny mpinamanamana ihany no mifanasa, ny mpisakaiza sy ny mpiray tampo ihany no mifanasa, ny mpihavana ihany no mifanasa. Ireo samy manamanana sy manan-katao ihany no mifanasa. Nahitsin’i Jesoa izany fomba fanao izany. Hoy izy : “Raha manasa olona amin’ny sakafo atoandro na sakafo hariva hianao, dia aza ny sakaizanao na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny namanao manan-karena no asainao, fandrao hanasa anao kosa ireo, ka dia ho voavaly ianao.” Tsy misy valim-pitia na fitahiana ho azonao avy amin’Andriamanitra raha ny olona afaka mifanasa ihany no mifanasa. Raha manasa olona iray misakafo ianao ary amin’ny manaraka mba asain’iny olona nasainao iny indray, dia tsy misy ny valim-pitia ho azonao avy amin’Andriamanitra. “Efa azony ny valim-pitiany”, hoy i Jeso matetika. Raha olona tsy mba afaka manasa anao noho ny tsy fananany kosa no asainao, dia Andriamanitra mihitsy no hamaly fitia anao. Homen’ny Tompo fahasambarana ianao. Hoy i Jesoa eo amin’ny and.13 : “Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, dia ho sambatra hianao satria tsy mba manan-kavaly ireo ; fa hovaliana kosa ianao amin’ny fitsanganan’ny marina.” Ry havana, ny fanasana na ny asa fanasoavana hahazoanao fitahiana avy amin’Andriamanitra dia tsy izay ataonao amin’ny olona afaka mamaly anao akory fa izay ataonao amin’ireo olona tsy mba afaka mamaly anao na mamaly ny asa fanasoavana nataonao. Raha ambara mivantana dia izao, ny asa fanasoavana handraisanao valim-pitia avy amin’Andriamanitra dia izay ataonao amin’ireo tsy manana sy amin’ireo mila vonjy. Ohatra ihany no nomen’i Jesoa eto amin’ireo olona mila vonjy : malahelo, mahantra, kilemaina, mandringa, jamba tsy mba afaka miasa ara-dalàna tahaka ny olona rehetra. Raha hanasa olona ianao hoy ny Tompo, mba asao manokana ireny olona tsy mba manana fahafahana manasa anao ireny. Aza ny mpinamanamana sy ny mpihavana ihany no mifanasa.


    Ry havana malala ao amin’ny Tompo, kileman’ny kristiana amin’ny Fiangonana maro izany. Rehefa mifanasa misakafo dia ireo mpinamanamana ihany no maifanasa, ireo mpihavankavana ihany no mifanasa, ny samy manan-katao ihany no mifanasa. Na dia afenina aza izany dia misy mahafantatra ihany. Hany ka manjary miteraka ilay antsoina hoe “clan clan” na ekipakipa ao amin’ny Fiangonana. Mahalana dia mahalana mba tsy hilazana hoe tsy misy mihitsy, raha misy olona manan-katao iray ao amin’ny Fiangonana ka mba manasa manokana olona heverina ho tsy manana sy mavomavo ao amin’ny Fiangonana. Nefa anie ka samy zanak’Andriamanitra, mpirahalahy sy mpianadahy ao amin’ny Tompo ihany. Tao amin’ny Fiangonana iray tany M/car, nisy fianakaviana manan-katao nanao mariazy ny zanany. Ankoatr’ireo fianakaviana nasaina sy ny solon-tenan’ny Fiangonana sy ny sampana, dia nanasa olon-kafa manokana tao amin’ny Fiangonana koa ry zareo. Nisy olona iray nahamarika fa ireo olona hafa nasaina tao amin’ny Fiangonana dia olona manana fiarakodia avokoa. Dia hoy ny vazivazin-dry zareo hoe : “Sitrany ahay kosa lava be ny cortège dia malaza ilay mariazy”. Ry havana, raha ny fampianaran’i Jesoa eto, dia tsy hisy valim-pitia ho azon’ny olona tahaka izany. Raha ny olona malahelo, tsy manana, mila vonjy no asainao, olona izay tsy afaka mamaly fitia anao, Andriamannitra no hamaly fitia anao. Ataon’Andriamanitra sambatra ianao. Fa raha ny mpinamanamana sy ny mpihavana sy izay afaka mifamaly ihany no asainao, tsy hisy valim-pitia ho azonao avy amin’Andriamanitra, tsy hisy fitahiana ho azonao avy amin’Andriamanitra. Tsy hoe akory tsy mahazo manasa ny havanao sy ny namanao ianao. Tsia, tsy izany. Azonao atao izany, fa izay ahitsin’i Jesoa eto dia izao : Aoka koa ianao hanasa ireo izay tsy havanao, tsy namanao, ireo izay tsy mba mahavita mamaly ny fanasanao. Fa raha manao izany ianao dia ho sambatra. Ka inona no tadiavinao, tsy fahasambarana ? Ary Andriamanitra hamaly fitia anao. Izay, ry havana, no takian’ny Tompo amin’ny mpanara-dia Azy : Hijery ireo mila vonjy, mba hanasa koa ireo tsy mba manana havaly anao. Hoy Jesoa : “Fa raha manao fanasana hianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo ; fa hovaliana kosa hianao amin’ny fitsanganan’ny marina.” (Lioka 14.13-14). Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny Fiangonana. Amena.

Mpitandrina RANDRIAMANANTSOA Zozo.