FPMA TAFO NICE

Articles

VAOVAO MAHAFALY :
ILAY ZANAKY NY DEVOLY TONGA ZANAK’ANDRIAMANITRA

Bonne nouvelle : le fils de diable devenu fils de Dieu

 «Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany» (Jaona 1.12)

Ity tenin’Andriamnitra ity, ry havana, dia mampahatsiaro antsika fa rehefa teraka ny olona iray dia tsy avy hatrany dia tonga zanak’Andriamanitra. Ary ny tena zava-doza dia ity, rehefa tsy zanak’Andriamanitra ny olona dia zanaky ny devoly. Tsy misy eo anelanelany, izany hoe sady tsy zanak’Andriamanitra no tsy zanaky ny devoly. Na ianao zanak’Andriamanitra na ianao zanaky ny devoly. Hijery Tenin’Andriamanitra vitsivitsy isika. « 8Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly. 9Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitœtra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra. 10Izany no mampiseho miharihary izay Zanak'Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin'Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.» (1 Jaona 3.8-10) Mazava tsara eto izay ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra : «Izany no mampiseho miharihary izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly.» Tsy misy ady hevitra azo atao eto rahalahy sy anabavy : na ianao zanak’Andriamanitra na ianao zanaky ny devoly. Tsy misy ny eo anelanelany. Jaona 8.44 : «Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitœtra tamin'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga.» Jesoa Kristy mihitsy eto no miteny.

Diary

Lun Mar Mer Jeu Ven Sam Dim
1
2
3
4
5
6
8
9
10
11
12
13
15
16
17
18
19
20
22
23
24
25
26
27
29
30

Lettre Mensuelle

 

VERS LE HAUT