Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta,
sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany

Asan'ny Apostaoly 2.1-13

 Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara ; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra.   Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra. Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe : Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo ? Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika - dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra ? Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe : Ahoana no tokony ho hevitr'izany ? Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe : Leon-divay mamy ireo.

Ao anatin'io, inona no lazainy momba an' Andriamanitra Ray,
Jesoa Kristy, na ny Fanahy Masina ?


 ASAN'NY FANAHY MASINA

Fanatrehan'i Jesoa
Efa nanomana ny fon'ny mpianatra Jesoa fa handeha.
Ho aiza hono ?
Hamboatra fitoerana ho azy ireo any an-danitra (Jaona 14.3).
Tsy nilaozany fotsiny anefa ireto mpianatra fa nampahereziny ka na dia nandeha aza Izy dia nampanantenainy kosa ny Fanahy Masina ho fanomezana ho azy ireo.
Ny Fanahy Masina ve ?
Ao anatin'ny 3 izay 1.
Ny asany ? (Jaona 14) : mpananatra, mpampianatra, mpampahatsiaro, mpitari-dàlana (Jaona 16.13). Ny Fanahy Masina koa anefa dia manambara ny fanatrehan'i Jesoa ireto mpianany na dia tsy manatrika azy ireo mivantana intsony aza Izy.
Tsy nomena ho an'ny mpianatra ihany anefa ny Fanahy fa ho izay rehetra nandray an'i Jesoa dia nomena io hery io (Jaona 1.12 ; Asan'ny Apostoly 1.8).

Fiteny tsy fantatra
Izay aloha no hita eto vokatry ny fahatongavan'ny Fanahy Masina teo amin'ny mpianatra. Nampitolagaga ireto Jiosy mpivavaka ny zava-nitranga satria fiteny samihafa tsy tokony ho hain'ireto Apostoly no noteneniny nandritra io fisehoan'ny Fanahy Masina io, milaza ihany koa ny fahatsaran'Andriamanitra anefa izy ireo, nisy indray aza naneso hoe "leon-divay ireo" (13).
Samy nanana ny fandraisany azy ny olona tsirairay teo anatrehan'ity tranga ity.
Ny nahatsara aza anefa dia nisy ireo tsy nino ny Filazantsara teo aloha nony nahita io fahagagana io dia nino.
Tsy azo ferana ho fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra ihany anefa ny asan'ny Fanahy Masina fa mety miseho amin'ny endriny hafa ihany koa saingy mila fantarina tsara hoe tena ny Fanahy Masin'Andriamanitra ve io ?
Efa maro manko ankehitriny ny fanahy sandoka.

Mpiara Mamaky ny Baiboly - Mana Isan' Andro
"Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao " Salamo 119.105