TORITENY
«Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe : Tompoko sy Andriamanitro» Jaona 20.28
Adihevitra be nandritra ny taonjato maro ka mandraka ankehitriny ny hoe : Jesoa ve Andriamanitra sa olombelona ? Ao ireo mampianatra fa i Jesoa dia olombelona tahaka ny olombelona rehetra ihany. Ny Silamo mampianatra hoe ; I Jesoa dia tsy Andriamanitra fa mpaminany lehibe iray, na dia izany aza, I Mahomet dia mbola mpaminany lehibe noho i Jesoa. Ny vavolombelon'i Jehovah dia mampianatra fa i Jesoa dia tsy Andriamanitra fa Zanak'Andriamanitra, ary ny Zanak'Andriamanitra dia tsy mety ho Andriamanitra. Ny Malagasy izay mbola mifikitra amin'ny fanompoan-tsampy dia milaza fa i Jesoa dia razam-bazaha ka raha hivavaka amin'ny razana ihany dia aleo mivavaka amin'ny razana Malagasy izay afaka mitahy tsara. Fa ho antsika izay manana ny leitmotiv hoe : "Ny Tenin'Andriamanitra irery ihany", dia izao no fanontaniana apetraka: Ahoana hoy ny Soratra Masina ? Andriamanitra i Jesoa sa olombelona tsotra tahaka ny olombelona rehetra ihany ? Mamaly izany fanontaniana izany ny Jaona 20.28 : "Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe : Tompoko sy Andriamanitro". Inona no tian'izany Tenin'Andriamanitra izany hambara ?
Fanazavana sy fampiharana
Nitsangana tamin'ny maty i Jesoa. Vavolombelona voalohany nahafantatra izany vaovao mahafaly izany ry Maria sy Maria Magdalena, ry Petera sy Jaona. Niseho tamin'ny mpianatra rehetra koa Jesoa. Tamin'io fotoana io anefa dia tsy teo i Tomasy, izay midika hoe "kambana", na antsoina koa hoe Didymo. Rehefa hitan'ireo mpianatra namany izy taty aoriana dia notantarain'izy ireo fa nahita an'i Jesoa velona, nitsangana tamin'ny maty. Dia hoy i Tomasy : "Raha tsy hitako eo amin'ny tanany ny holatry ny nohombohana, ka hataoko eo amin'ny holatry ny nohombohana ny rantsan-tanako, ary hataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho." Rehefa afaka 8 andro anefa, dia tafangona teo amin'ny toerana iray indray ny mpianatra ka teo koa i Tomasy tamin'io fotoana io. Tahaka ny mahazatra azy ireo dia narindrina daholo ny varavarana noho ny tahotra sao misy mahitra ry zareo ka hosamborina koa. Tsitapitapitr'izay, indro i Jesoa nitsangana teo afovoan-dry zareo, ary niteny hoe: Fiadanana ho anareo. Taorian'izay fiarahaban'i Jesoa ny mpianany izay, ny zavatra nataony voalohany dia nitodika manokana tamin'i Tomasy.Hoy i Jesoa tamin'i Tomasy : "Atehefo eto ny rantsan-tananao, ka jereo ny tanako ; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin'ny lanivoako ; ary aza ho izan'izay tsy mino, fa minoa." Mariahana fa tsy mbola nisy mpianatra hafa tafaresaka tamin'i Jesoa taorian'ny fihaonan'i Tomasy tamin'ireo mpianatra namany, izay nitantara taminy fa efa nahita ny Tompo izahay. Ahoana ny fomba nahafantaran'i Jesoa ny teny nataon'i Tomasy hoe : "Raha tsy hitako eo amin'ny tanany ny holatry ny nohombohana, ka hataoko eo amin'ny holatry ny nohombohana ny rantsan-tanako, ary hataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho."
Iza no nitantara izany tamin'i Jesoa ? Tsy nisy. Satria na ny toerana nisy an'i Jesoa aza tsy fantatr'ireto mpianany ireto taorian'ny fihaonany taminy. Na dia tsy nanatrika ny resaka nifanaovan'ireto mpianatra ireto aza i Jesoa dia fantany amin'ny antsimpirihany ny resaka nifanaovany satria Andriamanitra izy : mahita sy mandre ary mahafantatra ny zavatra rehetra, eny fa na dia ny any am-po tsy miloaka aza dia fantany. Fantratr'i Jesoa ny zavatra mbola any an-tsain'ny olona. Tsy misy olombelona mahavita izany fa Andriamanitra irery ihany no mahavita izany. Ohatra maro no azo tanisaina mitantara izany ao amin'ny Filazantsara. Fantantsika tsara, ohatra, ny tantaran'ilay vehivavy samaritana natsaka rano, ary nangatahan'i Jesoa rano hosotroiny. Rehefa nandeha ny resaka, dia nampahafantatra ny tenany tsikelikely tamin'ilay vehivavy i Jesoa. Tamin'izany no nilazan'i Jesoa ny antsimpirihan'ny fiainan'ilay vehivavy. Efa nanambady indimy ianao hoy Izy tamin-dravehivavy sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny (Jaona 4.17-18). Jesoa mahafantatra ny antsimpirihan'ny fiainan'ny olona rehetra. Izany, ry havana, no ilazana, ary hanamafisana ny maha Andriamanitra Azy.
Ry havana malala ao amin'ny Tompo, Andriamanitra i Jesoa ka mahalala ny antsimpirihany sy ny miafina indrindra amin'ny fiainanao. Aza mieritreritra ianao fa tsy misy mahita izay ataonao any amin'ny takona. Andriamanitra mahita ny ataonao rehetra ? Jesoa Kristy mahita ny miafina indrindra eo amin'ny fiainanao. Jesoa, na dia any an-danitra aza izy mahita izay miseho rehetra eto an-tany, mahita ny any anaty fon'ny olona lalina any ; mahafantatra ny ao an-tsain'ny olona tsirairay satria Andriamanitra Izy, satria Andriamanitra irery ihany no mahavita an'izany. Raha olona tsotra i Jesoa dia tsy hahavita mahafantatra ny zavatra rehetra, sy ny miafina rehetra. Raha mino ianao fa Andriamanitra i Jesoa ka mahita ny miafina rehetra, dia tsy mahavita manao ratsy any amin'ny takona ianao; tsy mahavita manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina any amin'ny tsy misy mpahita ianao. Matoa ianao manao zavatra tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra any amin'ny tsy misy mpahita, satria tsy mino mihitsy ny fisian'Andriamanitra mahita ny miafina rehitra ianao.
Rehefa natehin'i Tomasy teo amin'ny tanan'i Jesoa ny tanany ary nataony teo amin'ny lanivoany ny tanany, dia voatsapan'ny tanany ny holatry ny namantsihana ny tanan'ny Tompo sy ny holatra teo amin'ny lanivohany nandefonana Azy. Resy lahatra i Tomasy fa i Jesoa ilay nohombohana teo ambony hazo fijalina tokoa ity manoloana azy ity. I Jesoa ilay maty teo ambony hazo fijaliana tokoa ity velona sy nitsangana tamin'ny maty ity. Teo no nanaovan'i Tomasy ilay fanekam-pinoana miezinezina : "Tompoko sy Andriamanitro". Izany hoe Ianao Jesoa Ilay mandidy sy manapaka ny fiainako, Ianao ilay Tompon'ny fiainako manontolo ; Ianao no Andriamanitro. Raha nanambara izany finoana lehibe izany i Tomasy teo anatrehan'i Jesoa, raha tsy Andriamanitra i Jesoa dia tsy maintsy nanitsy an'i Tomasy avy hatrany Izy ka nanao hoe : Tsia, diso ianao ry Tomasy fa tsy Andriamanitra Aho fa olona tsotra toa anao ihany. Tsy Andriamanitra Aho fa mpaminany tahaka ny mpaminany rehetra. Raha tsy Andriamanitra i Jesoa, ry Havana, dia tsy maintsy nanitsy an'i Tomasy tahaka izany. Fa mazava ny resaka, tsy nandiso na nanitsy an'i Tomasy Izy fa nanaiky ny fanambarany : Tompo sy Andriamanitra i Jesoa. Nanaiky ny tenany ho Andriamanitra i Jesoa.
Ry havana malala ao amin'ny Tompo, tsy i Tomasy ihany no mampahafantatra an'i Jesoa ho Andriamanitra fa ny Tenin'Andriamanitra amin'ny ankapobeny. Hoy ny voalaza ao amin'ny Isaia 9.5 : "Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra mahery." Faminaniana nataon'i Isaia ny amin'ny hahaterahan'i Jesoa ity toko sy andininy ity. Ilay Zaza ambara eto dia i Jesoa, izay ambarany mazava eto hoe : "Andriamanitra mahery." Ilay Zaza ho teraka dia tsy vitan'ny hoe Andriamanitra fa "Andriamanitra mahery". Santionany ihany ireo, ry havana, ny amin'ny fanamafisan'ny Baiboly manontolo an'i Jesoa ho Andriamanitra.
Ry rahalahy sy anabavy ao amin'ny Tompo, ny fanontaniana mipetraka dia izao : Tena mino an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Andriamanitrao marina ve ianao ? Tena ataonao ho Andriamanitra eo amin'ny fiainanao tokoa ve i Jesoa sa zavatra hafa no ataonao ho andriamanitra eo amin'ny fiainanao? Raha tena mino an'i Jesoa ho Andriamanitra ny olona dia hanompo Azy, hanaja Azy, hatahotra Azy, hankato Azy. Ny Malakia 1.6 dia milaza hoe : " Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony ; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako ? Ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy ? "
Tsy ampy, ry Havana, ny manaiky eo amin'ny molotra fotsiny hoe : Jesoa no Tompoko, Jesoa no Andriamanitro. Tokony ho hita taratra eo amin'ny fiainanao andavan'andro izany. Maromaro ihany, hoy ilay tsy mahay manisa, izay kristiana nanao izany fanekena izany teo amin'ny alitaran'Andriamanitra. Impiry no hanambarantsika ampahibemaso eo anatrehan'Andriamanitra izany fanekem-pinonana izany : "Tompoko sy Andriamanitro ianao".
Misy tantara kely ity, izay nalaina tamin'ny boky apocryphe, izany hoe ireo boky mirakitra tenin'Andriamanitra fa tsy neken'ny Fiangonana ho isan'ny tenin'Andriamanitra satria miavaka amin'ny Tenin'Andriamanitra hafa izay tantarainy.
Tantaran'i Abrahama sy ny sampan-drainy
Tena rain'i Abrahama, hono dia sady mpanompo sampy no mpivarotra sampy. Sendra nisy nalehany indray andro ka Abrahama zanany no nampitandremany ny sampy. Indro nisy anti-dahy iray tonga hividy ny sampy. "Firy taona izao ny andro niainanao ry Ingahibe ? " hoy Abrahama. "80 taona aho izao ! " hoy Ingahibe namaly. "Malahelo noho izato hadalanao aho ry Ingahibe, hoy Abrahama, lahiantitra 80 taona nefa dia mbola mivavaka amin'ny sampy, nefa ny andevon'Ikaky ihany no nanamboatra ireo sampy ireo ! Menatra Ingahibe ka lasa. Nony afaka kelikely, indro vehivavy anankiray nitondra fanatitra ho an'ny sampy. Dia hoy Abrahama tamin-dravehivavy : "Ny tananao ihany re no manolotra azy ramatoa hahitanao ny fambosimbosiny ! " Nihomehezan'ilay Ramatoa izy. "Fa nahoana aho no hihomehezanao ? " "Ka aiza anefa izay vavany hihinana eo ? " sady iny izy no nitsoaka. Noraisin'i Abrahama ny kanonta be iray dia nomontsaniny sy nopotehany avokoa ny sampy rehetra afa-tsy ny anankiray lehibe, ary napetrany teo antanan'io ilay kanonta. Nony tonga Tera rainy dia sady nalahelo no tezitra nanontany an'i Abrahama. "Fa maninona ireto sampiko no potipotika ? " Hoy hono, Abrahama. "Nisy vehivavy nitondra sakafo ho azy teo ry Ikaky, ka nony nifandrombaka ireto madinika dia tezitra Ingahy lehibe ka nomontsanany tamin'io kanonta be io izy rehetra!" "Lainganao izany anaka, te haniratsira ahy fotsiny ianao ! Ny sampy dia sady tsy mihetsika no tsy mihinana ! " "Hay ve fantatrao ihany izany ry Ikaky, ka no mivavaka aminy ianao, ary izaho koa terenao hivavaka amin'ireo ! ". Tezitra nisafoaka Tera rain'i Abrahama ka nalefany ho any amin'i Nimroda Mpanjaka Abrahama hofaizina. Dia hoy hono Nimroda tamin'i Abrahama : "Rehefa tsy hivavaka amin'ny sampin-drainao ary ianao, ny afo no ivavahana ! " "Ka aleo mivavaka amin'ny rano mahafaty ny afo, hoy Abrahama" "Eny ary, hoy Nimroda, ny rano izany ivavahana ! " "Fa nahoana raha ny rahona mahatazona ranon'orana ! " "Mety izany hoy Nimroda, ny rahona izany ivavahana ! " "Nahoana indray raha ny rivotra mandroaka ny rahona no ivavahana" hoy Abrahama. "Tsara izany, dia ny rivotra izany ivavahana" hoy Nimroda. "Aoka tsy ho tezitra ianao, ry Mpanjaka, tsy azoko atao ny mivavaka amin'ireny fa ilay nanao azy no ivavahako ! " ABRAHAMA rain'ny MINO !
Mety tsy manompo sampy tahaka an'i Tera rain'i Abrahama intsony isika, tsy manompo sarivongana vita amin'ny hazo, vato, vy ; tsy manompo razana. Fa zary lasa andriamanitra kely ivavahan'ny olona ankehitriny ny vola, tompoiny sy hajainy fatratra mihoatra an'Andriamanitra. Toa aty am-piangonana ihany Andriamanitra no Tompontsika sy Andriamanintsika, fa amin'ny andavan'andro dia hafa mihitsy no Tompontsika sy Andriamanintsika. Ny vola no zary andriamanitra kely tompointsika rehefa andavan'andro. Zary lany amin'ny fikatsahana izany ny fotoanantsika fa ny sombintsombiny amin'ny fotoanantsika sisa hikatsahantsika an'Andriamanitra sy ny fanjakany. Efa tsy hozatry ny fiainana intsony ny vola fa zary lasa andriamanitry ny fiainana mihitsy. Reraka sy sasatra ary torovana amin'ny hazakazaka fikatsahana an-dravola dia tsy manana hery intsony hivavahana isan'andro, hamakiana Tenin'Andriamanitra isan'andro. Aty am-piangonana miondrika eo anatrehan'Andriamanitra ary manambara hoe : Tompoko sy Andriamanitro Ianao. Andavan'andro miondrika eo anatrehan'ny vola manao hoe : tompoko sy andriamanitro ianao. Maro amin'ny kristiana no milaza hoe : tsy hivavaka aho aloha anio fa reraka mafy noho ny fitadiavam-bola nandritra ny herinandro. Fa ny Alatsinainy izy dia iny fa lasa mitady vola indray na dia reraka aza. Ny fanompoana an'Andriamanitra mahazo mandefitra fa ny fitadiavana vola tsy mandefitra mihitsy satria zary lasa andriamanitra kely tompoina ny vola.
Ry havana, tena Tomponao sy Andriamanitrao tokoa ve i Jesoa sa ny vola no tomponao sy andriamanitrao ? Ry havana malala ao amin'ny Tompo, ny Apostoly Tomasy, dia tsy tamin'ny vavany fotsiny no nanaiky an'i Jesoa ho Tompo sy Andriamanitra. I Tomasy dia tsy teo anatrehan'i Jesoa fotsiny no nanaiky Azy ho Tompo sy Andriamanitra. Ny fiainany andavan'andro, ny fiainany manontolo dia nanehoany fa i Jesoa no Tompo sy Andriamaniny. Nataony ambony noho ny zavatra rehetra Jesoa. Ny niafaran'ny fiainan'i Apostoly Tomasy, dia maty maritiora tany Inde izy. Tsy nivadika tamin'ny fanekena nataony teo anatrehan'i Jesoa hatramin'ny fara-fofonainy izy : "Tompoko sy Andriamanitro". Modely tsara ho antsika kristiana i Tomasy.
Izay manan-tsofina aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny Fiangonana. Amena.
SOLI DEO GLORIA
Pasitera RANDRIAMANANTSOA Zozo.